< Salamo 30 >
1 Salamo. Fihirana tamin’ ny nitokanana ny trano. Nataon’ i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ ny fahavaloko aho.
【病後感恩歌】 聖殿祝聖的詩歌,達味作。 上主,我稱揚你,因為你救拔了我,你也沒有使我的仇敵向我自誇。
2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
上主,我一向你呼號,我主,你便醫治了我。
3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’ izay midìna any an-davaka aho. (Sheol )
上主,你由陰府中把我救出,又使我安全復生,免降幽谷。 (Sheol )
4 Mankalazà an’ i Jehovah, ry olony masìna, ka miderà ny anarany masìna.
上主的聖民,請向上主歌頌,稱謝上主的聖名。
5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
因為上主的忿怒,瞬息消散;上主的恩愛卻要終生綿延。晚間雖令人哭涕,清晨卻使人歡喜。
6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.
我曾自誇說過,我永不會動搖。
7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.
上主,你恩待我,使我立足於穩固山岡;但是你一掩面,我便立刻感到失措驚惶。
8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
上主,我曾向你呼號,我曾向我主哀求說:
9 Inona no soa azo amin’ ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
我如果降入陰府,我的血於你何益?灰土豈能讚美你,或宣揚你的忠義?
10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
上主,請俯聽我,憐憫我;上主,求你前來助佑我。
11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,
你把我的哀痛,給我變成了舞蹈,脫去了我的苦衣給我披上喜樂;
12 Mba hankalazan’ ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.
為此,我的心靈歌頌你,永不止息;上主,我的天主,我要永遠稱謝你!