< Salamo 3 >
1 Salamo nataon’ i Davida, fony izy nandositra an’ i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
Zaburi ya Daudi. Alipomkimbia mwanawe Absalomu. Ee Bwana, tazama adui zangu walivyo wengi! Ni wengi kiasi gani wanaoinuka dhidi yangu!
2 Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. (Sela)
Wengi wanasema juu yangu, “Mungu hatamwokoa.”
3 Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
Lakini wewe, Ee Bwana, ni ngao pande zote; umeniwekea utukufu na kuinua kichwa changu.
4 Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy.
Ninamlilia Bwana kwa sauti kuu, naye ananijibu kutoka mlima wake mtakatifu.
5 Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. (Sela)
Ninajilaza na kupata usingizi; naamka tena, kwa maana Bwana hunitegemeza.
6 Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
Sitaogopa makumi elfu ya adui, wanaojipanga dhidi yangu kila upande.
7 Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao.
Ee Bwana, amka! Niokoe, Ee Mungu wangu! Wapige adui zangu wote kwenye taya, vunja meno ya waovu.
8 An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao. (Sela)
Kwa maana wokovu watoka kwa Bwana. Baraka yako na iwe juu ya watu wako.