< Salamo 3 >

1 Salamo nataon’ i Davida, fony izy nandositra an’ i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
מזמור לדוד בברחו מפני אבשלום בנו ב יהוה מה-רבו צרי רבים קמים עלי
2 Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. (Sela)
רבים אמרים לנפשי אין ישועתה לו באלהים סלה
3 Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
ואתה יהוה מגן בעדי כבודי ומרים ראשי
4 Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy.
קולי אל-יהוה אקרא ויענני מהר קדשו סלה
5 Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. (Sela)
אני שכבתי ואישנה הקיצותי--כי יהוה יסמכני
6 Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
לא-אירא מרבבות עם-- אשר סביב שתו עלי
7 Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao.
קומה יהוה הושיעני אלהי-- כי-הכית את-כל-איבי לחי שני רשעים שברת
8 An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao. (Sela)
ליהוה הישועה על-עמך ברכתך סלה

< Salamo 3 >