< Salamo 28 >

1 Nataon’ i Davida.
לדוד אליך יהוה אקרא צורי אל תחרש ממני פן תחשה ממני ונמשלתי עם יורדי בור׃
2 Mihainoa ny feon’ ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin’ ny fitoeranao masìna indrindra aho.
שמע קול תחנוני בשועי אליך בנשאי ידי אל דביר קדשך׃
3 Aza atao indray manakipaka amin’ ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin’ ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.
אל תמשכני עם רשעים ועם פעלי און דברי שלום עם רעיהם ורעה בלבבם׃
4 Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian’ ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan’ ny tànany, valio izy araka izay iendrehany.
תן להם כפעלם וכרע מעלליהם כמעשה ידיהם תן להם השב גמולם להם׃
5 Fa tsy mihevitra ny asan’ i Jehovah, na ny vitan’ ny tànany, izy, dia horavan’ i Jehovah izy, fa tsy haoriny.
כי לא יבינו אל פעלת יהוה ואל מעשה ידיו יהרסם ולא יבנם׃
6 Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon’ ny fifonako Izy.
ברוך יהוה כי שמע קול תחנוני׃
7 Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian’ ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.
יהוה עזי ומגני בו בטח לבי ונעזרתי ויעלז לבי ומשירי אהודנו׃
8 Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.
יהוה עז למו ומעוז ישועות משיחו הוא׃
9 Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.
הושיעה את עמך וברך את נחלתך ורעם ונשאם עד העולם׃

< Salamo 28 >