< Salamo 25 >
2 Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ ny fahavaloko aho.
我的天主,我全心要倚靠你。求你不要使我蒙受羞恥,不要容許我的仇人歡喜。
3 Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
凡期望你的人絕不會蒙羞,唯冒昧失信人才會受辱。
4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.
上主,求你使我認識你的法度,並求你教訓我履行你的道路。
5 Tariho amin’ ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.
還求你教訓我;引我進入真理之路,我終日仰望你,因你是救我的天主。
6 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.
上主,求你憶及的仁慈和恩愛,因為它們由亙古以來就常存在。
7 Aza ny fahotan’ ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
我青春的罪愆和過犯,求你要追念;上主,求你紀念我,照你的仁慈和良善。
8 Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
因為上主仁慈又正直,常領迷途者歸回正路,
9 Mitarika ny mpandefitra amin’ ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
引導謙卑者遵守正義,教善良者走入正途。
10 Ny lalan’ i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
對待持守上主的盟約和誡命的人,上主的一切行徑常是慈愛和忠誠。
11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
上主,為了你聖名的緣故,求你赦免我重大的愆尤。
12 Iza no lehilahy matahotra an’ i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
不論是誰,只要他敬愛上主,上主必指示他應選的道路,
13 Ny fanahiny hitoetra amin’ ny soa; ary ny taranany handova ny tany.
他的心靈必要安享幸福,他的後裔必能承繼領土。
14 Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
上主親近敬愛自己的人民,也使他們認識自己的誓盟。
15 Ny masoko mijery an’ i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ ny fandrika harato.
我的眼睛不斷地向上主瞻仰,因為祂使我的雙腳脫離羅網。
16 Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.
求你回顧,求你憐憫,因為我是孤苦伶仃。
17 Ny fahorian’ ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ ny fahatereko aho.
求你減輕我心的苦難,救我脫離我的憂患;
18 Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
垂視我的勞苦和可憐,赦免我犯的一切罪愆。
19 Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.
請看我的仇敵如何眾多,他們都兇狠地痛恨著我。
20 Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.
求你保謢我的生命,向我施救,別叫我因投奔你而蒙受羞辱。
21 Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.
願清白和正直護衛我!上主,因我唯有仰望你。
22 Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin’ ny fahoriany rehetra.
天主,求你拯救以色列,使他脫離一切的禍災