< Salamo 24 >
1 Salamo nataon’ i Davida.
Žalm Davidův. Hospodinova jest země, a plnost její, okršlek země, i ti, kteříž obývají na něm.
2 Fa Izy no nanorina azy tambonin’ ny ranomasina. Tambonin’ ny rano no nampitoerany azy.
Nebo on ji na moři založil, a na řekách upevnil ji.
3 Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ ny fitoerany masìna?
Kdo vstoupí na horu Hospodinovu? A kdo stane na místě svatém jeho?
4 Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ ny lainga, na mianiana hamitaka.
Ten, kdož jest rukou nevinných, a srdce čistého, kdož neobrací duše své k marnosti, a nepřisahá lstivě.
5 Handray fitahiana avy amin’ i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’ Andriamanitry ny famonjena azy.
Ten přijme požehnání od Hospodina, a spravedlnost od Boha spasitele svého.
6 Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba. (Sela)
Toť jest národ hledajících jeho, hledajících tváři tvé, ó Bože Jákobův. (Sélah)
7 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny mpanjakan’ ny voninahitra.
Pozdvihnětež, ó brány, svrchků svých, pozdvihnětež se vrata věčná, aby vjíti mohl král slávy.
8 Iza izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.
Kdož jest to ten král slávy? Hospodin silný a mocný, Hospodin udatný válečník.
9 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny Mpanjakan’ ny voninahitra.
Pozdvihnětež, ó brány, svrchků svých, pozdvihněte se vrata věčná, aby vjíti mohl král slávy.
10 Iza ary izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon’ ny maro, Izy no Mpanjakan’ ny voninahitra. (Sela)
Kdož jest to ten král slávy? Hospodin zástupů, onť jest král slávy. (Sélah)