< Salamo 22 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon’ i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ ny fitarainako.
Kwa mwimbishaji. Mtindo wa utenzi wa “Kulungu wa Alfajiri.” Zaburi ya Daudi. Mungu wangu, Mungu wangu, mbona umeniacha? Kwa nini uko mbali hivyo kuniokoa? Mbali hivyo na maneno ya kuugua kwangu?
2 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
Ee Mungu wangu, ninalia mchana, lakini hunijibu, hata usiku, sinyamazi.
3 Kanefa masìna Hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ ny fideran’ ny Isiraely.
Hata hivyo umesimikwa katika kiti cha enzi kama Uliye Mtakatifu; wewe ni sifa ya Israeli.
4 Hianao no nitokian’ ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
Kwako wewe baba zetu waliweka tumaini lao, walikutumaini nawe ukawaokoa.
5 Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
Walikulilia wewe na ukawaokoa, walikutegemea wewe nao hawakuaibika.
6 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’ olona sy fanevatevam-bahoaka.
Mimi ni mnyoo wala si mwanadamu, wanaume wamenibeza, na watu wamenidharau.
7 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
Wote wanionao hunidhihaki, hunivurumishia matusi, wakitikisa vichwa vyao:
8 Ankino amin’ i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.
Husema, “Anamtegemea Bwana, basi Bwana na amwokoe. Amkomboe basi, kwa maana anapendezwa naye.”
9 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin’ ny reniko;
Hata hivyo ulinitoa tumboni, ukanifanya nikutegemee, hata nilipokuwa ninanyonya matiti ya mama yangu.
10 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
Nimekabidhiwa kwako tangu kuzaliwa, toka tumboni mwa mama yangu umekuwa Mungu wangu.
11 Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
Usiwe mbali nami, kwa maana shida iko karibu na hakuna wa kunisaidia.
12 Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin’ i Basana manemitra ahy.
Mafahali wengi wamenizunguka, mafahali wa Bashani wenye nguvu wamenizingira.
13 Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
Simba wangurumao wanaorarua mawindo yao hupanua vinywa vyao dhidi yangu.
14 Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
Nimemiminwa kama maji, mifupa yangu yote imetoka katika viungo vyake. Moyo wangu umegeuka kuwa nta, umeyeyuka ndani yangu.
15 Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin’ ny lanilaniko; ao amin’ ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
Nguvu zangu zimekauka kama kigae, ulimi wangu umegandamana na kaakaa la kinywa changu, kwa sababu umenilaza katika mavumbi ya kifo.
16 Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy
Mbwa wamenizunguka, kundi la watu waovu limenizingira, wametoboa mikono yangu na miguu yangu.
17 Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
Naweza kuhesabu mifupa yangu yote, watu wananikodolea macho na kunisimanga.
18 Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
Wanagawana nguo zangu wao kwa wao, na vazi langu wanalipigia kura.
19 Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
Lakini wewe, Ee Bwana, usiwe mbali. Ee Nguvu yangu, uje haraka unisaidie.
20 Vonjeo amin’ ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin’ ny herin’ ny amboa.
Okoa maisha yangu na upanga, uhai wangu wa thamani kutoka nguvu za mbwa.
21 Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga.
Niokoe kutoka kinywani mwa simba, niokoe kutoka pembe za mafahali mwitu.
22 Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko aho; eo amin’ ny fiangonana no hideràko Anao.
Nitalitangaza jina lako kwa ndugu zangu, katika kusanyiko nitakusifu wewe.
23 Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, miderà Azy; ry taranak’ i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak’ Isiraely rehetra.
Ninyi ambao mnamcha Bwana, msifuni! Ninyi nyote wazao wote wa Yakobo, mheshimuni yeye! Mcheni yeye, ninyi wazao wote wa Israeli!
24 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ ny fahorian’ ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
Kwa maana hakupuuza wala kudharau mateso ya aliyeonewa; hakumficha uso wake bali alisikiliza kilio chake ili amsaidie.
25 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’ izay matahotra an’ i Jehovah.
Kwako wewe hutoka kiini cha sifa zangu katika kusanyiko kubwa, nitatimiza nadhiri zangu mbele ya wale wakuchao wewe.
26 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
Maskini watakula na kushiba, wale wamtafutao Bwana watamsifu: mioyo yenu na iishi milele!
27 Hahatsiaro ka hiverina ho amin’ i Jehovah ny faran’ ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ ny firenen-tsamy hafa.
Miisho yote ya dunia itakumbuka na kumgeukia Bwana, nazo jamaa zote za mataifa watasujudu mbele zake,
28 Fa an’ i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin’ ny firenen-tsamy hafa Izy.
kwa maana ufalme ni wa Bwana naye hutawala juu ya mataifa.
29 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin’ ny tany, eo anatrehany no hiondrehan’ izay rehetra efa hidina any amin’ ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.
Matajiri wote wa dunia watasherehekea na kuabudu. Wote waendao mavumbini watapiga magoti mbele yake, wote ambao hawawezi kudumisha uhai wao.
30 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin’ ny taranaka ho avy.
Wazao wa baadaye watamtumikia yeye; vizazi vijavyo vitajulishwa habari za Bwana.
31 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin’ ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.
Watatangaza haki yake kwa watu ambao hawajazaliwa bado, kwa maana yeye ametenda hili.

< Salamo 22 >