< Salamo 20 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin’ ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ ny avo anie ny anaran’ Andriamanitr’ i Jakoba.
To the chief music-maker. A Psalm. Of David. May the Lord give ear to you in the day of trouble; may you be placed on high by the name of the God of Jacob;
2 Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ ny fitoerana masìna anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
May he send you help from the holy place, and give you strength from Zion;
3 Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. (Sela)
May he keep all your offerings in mind, and be pleased with the fat of your burned offerings; (Selah)
4 Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
May he give you your heart's desire, and put all your purposes into effect.
5 Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin’ ny anaran’ Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin’ i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
We will be glad in your salvation, and in the name of our God we will put up our flags: may the Lord give you all your requests.
6 Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin’ ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ ny herin’ ny famonjen’ ny tànany ankavanana.
Now am I certain that the Lord gives salvation to his king; he will give him an answer from his holy heaven with the strength of salvation in his right hand.
7 Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
Some put their faith in carriages and some in horses; but we will be strong in the name of the Lord our God.
8 Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,
They are bent down and made low; but we have been lifted up.
9 Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin’ izay andro iantsoanay Azy.
Come to our help, Lord: let the king give ear to our cry.