< Salamo 18 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah, izay nilaza tamin’ i Jehovah ny tenin’ ity fihirana ity tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tanan’ i Saoly; dia hoy izy: ―
I KIN pok on komui Main, ai kel.
2 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
Ieowa ai paip, ai kel, ai jaundor, ai Kot, ai paipalap, me i kin liki, pere pa i, menkamaur pa i o jile pa i!
3 Miantso an’ i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko.
I kin nidinid on Ieowa, me kapin en ko on, o i pan dorela jan ai imwintiti kan.
4 Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
I lodi oner jal en mela kan, o pilap en Pileam akan kamajak ia er.
5 Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. (Sheol h7585)
Jal en wajan mela kol ia dier, o jal en mela kaloe ia dier. (Sheol h7585)
6 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
Ni ai majak i likwir on Ieowa o weriwer on ai Kot; I ap kotin ereki nil ai jan nan tanpaj a, o ai likwir lel on karon a kan.
7 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin’ ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
Jappa rerer o mokidedar, o pajon en nana kan ititekok o rerer, ni a kotin onionidar.
8 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
Atiniai koda jan nan jilan i, o kijiniai kelail jan nan au a, ap kareda liol.
9 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony.
O a kotikidier nanlan o kotidido, o rotorot impan aluwilu a kan.
10 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin’ ny ela-drivotra Izy.
O a kotikot pon Kerup amen o kotin pirwei, o a kotin dake pa en an.
11 Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina.
Tanpaj a im pwal iei rotorot, o katau laud, o tapok rotorot, kapil pena i.
12 Ary teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
Linan me mi mo a, kamueit pajan tapok kan ian akel o liol.
13 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
O Ieowa kotin wiadar nanjapwe nanlan, o me Lapalapia kotin poronelar kapit i ian akel o liol.
14 Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
A kotin kajik wei japwilim a kanan en kajik katieu, o kotin kamueit irail pajan. A kotin wiadar liol toto o kamajak irail adar.
15 Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin’ ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavoronao.
Al en pil akan ap janjaladar, o pajon en jappa weiweidar ki ar onion Main, mon an en jilan omui.
16 Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy;
A kotikidier lim a jan nan waja ileile, a kotin kol ia di o kotin api ia dar jan nan pil kalaimun akan.
17 Namonjy ahy tamin’ ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’ izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny
A kotin dore ia la jan ai imwintiti kelail akan, jan ir, me kailon kin ia, ir me i jota itar on.
18 Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
Irail kaloe ia dier ni ai ran apwal, a Ieowa kotin wialar jauaj pa i.
19 Dia nitondra ahy ho any amin’ ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
O a kotin kalua ia wajan jaladok, a kotin kamaio ia da, aki a kotin kupukupura ia.
20 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy.
Ieowa kin kotin jauaja ia duen ai pun, a kotin katini on ia duen makelekel en pa i kan.
21 Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro;
Pwe i kin weweid nani al en Ieowa, o i jota kin katiwo on ai Kot.
22 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
Pwe a majan akan mi mo i, o i jota pan kaje jan ia a kujoned akan.
23 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ ny fahotako;
Pwe nai unjokalar mon jilan i o juedeki ai japun.
24 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan’ ny tanako teo imasony.
O Ieowa kotin katini on ia duen ai pun, o duen makelekel en pa i kan mon jilan i.
25 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
Komui me kalanan on me mau kan, o lelapok on me lelapok kan,
26 Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.
O makelekel ren me makelekel akan, o japun ren me japun kan.
27 Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.
Pwe kom kin kotin dorela aramaj luet akan, ap kadukiedi maj en me aklapalap akan.
28 Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
Pwe kom kin kotin kamaraini ai lamp, Ieowa ai Kot kin kamaraini ai rotorot.
29 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
Pwe ni ai ian komui i kak kaloedi karij en jaunpei kan, o ni ai ian ai Kot, i kak lujwei pon kel takai.
30 Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy.
AI en Kot me unjokala; majan en Ieowa me makelekel. I pere pan karoj, me liki i.
31 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
Pwe ia amen Kot impan Ieowa, de ia paip eu impan atail Kot?
32 Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
lei Kot, me kotin aude kin ia manaman, o kaunjokala al ai.
33 Manao ny tongotro ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo.
A kin kotin wiai on na i kan dueta na en tia, o kotin kajapwil ia dan waja ileile.
34 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
A kotin padaki on pa i kan tiak en mauin o, pwen kak on kaonopada kaiik katieu mata.
35 Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
Kom kotiki on ia pere pan maur omui, o lim omui pali maun kamana ia da, o omui opampap me kajapwil ia da.
36 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
Kom kotin kaonopadar al, me i pan weweid ia, pwe nil i kan ender krijedi.
37 Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.
I pan tan won ai imwintiti kan o kono irail edi, o i jota pan puredo, lao karoj lodier.
38 Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin’ ny tongotro izy.
I pan kamor irail pajan, re jota pan kak palian ia, o re pan pupedi on pan na i kan.
39 Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
Kom kak kamana kin ia omui manaman on ni pei; Kom kak kajedi on pan na i kan karoj me palian ia.
40 Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
Kom kin kotin kaloedi on ia ai imwintiti kan, pwen kawela, me kailon kin ia.
41 Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin’ i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
Re kin likelikwir, a jota jauaj parail ren Ieowa, a jota kotin japen ir.
42 Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin’ ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.
I pan juk irail pajan dueta pwel par nan kijinian; i pan kaje ir ala dueta pwel jamin jan nani al o.
43 Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
Kom kin kotin dore ia jan ren akamai en aramaj, o kom kotin kajapwil ia dan men liki kan; o wei eu me i jaja kin upa on ia.
44 Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy.
Ni ar roner, re peiki on ia er, o nain men wai kan peikion ia ni linkapin.
45 Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy.
Nain men wai kan poridier o rerer o pwarado jan nan ar im kalaimun akan.
46 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
Ieowa kotin ieiaj; kapin on ai paipalap; o kapin on Kot ai jaundor.
47 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
Kot me kotin depuk on ai imwintiti kan, o a kotin kaloedi on ia ai imwintiti kan;
48 Mamonjy ahy amin’ ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin’ izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin’ ny olon-dozabe.
Kom kotin dore ia la jan ai imwintiti kan, o kom kotin kajapwil ia dan ir, me palian ia. Kom kin kotin jauaja ia on me, morjued on ia.
49 Koa izany no hiderako Anao eny amin’ ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
I me i men danke komui, Main Ieowa, nan pun en men liki kan o kauleki duen mar Omui,
50 Manao famonjen-dehibe ho an’ ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin’ ny voahosony, dia amin’ i Davida sy ny taranany mandrakizay.
Komui me kotin kamaurada melel japwilim a nanmarki o a kotin jauaja mau japwilim a Dawid keiedier o kadaudok a kokolata.

< Salamo 18 >