< Salamo 18 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah, izay nilaza tamin’ i Jehovah ny tenin’ ity fihirana ity tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tanan’ i Saoly; dia hoy izy: ―
ヱホバわれの力よ われ切になんぢを愛しむ
2 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
ヱホバはわが巌 わが城 われをすくふ者 わがよりたのむ神 わが堅固なるいはほ わが盾 わがすくひの角 わがたかき櫓なり
3 Miantso an’ i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko.
われ讃稱ふべきヱホバをよびて仇人よりすくはるることをえん
4 Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
死のつな我をめぐり惡のみなぎる流われをおそれしめたり
5 Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. (Sheol )
陰間のなは我をかこみ死のわな我にたちむかへり (Sheol )
6 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
われ窮苦のうちにありてヱホバをよび又わが神にさけびたり ヱホバはその宮よりわが聲をききたまふ その前にてわがよびし聲はその耳にいれり
7 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin’ ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
このときヱホバ怒りたまひたれば地はふるひうごき山の基はゆるぎうごきたり
8 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
烟その鼻よりたち火その口よりいでてやきつくし炭はこれがために燃あがれり
9 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony.
ヱホバは天をたれて臨りたまふ その足の下はくらきこと甚だし
10 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin’ ny ela-drivotra Izy.
かくてケルブに乗りてとび風のつばさにて翔り
11 Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina.
闇をおほひとなし水のくらきとそらの密雲とをそのまはりの幕となしたまへり
12 Ary teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
そのみまへの光輝よりくろくもをへて雹ともえたる炭とふりきたれり
13 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
ヱホバは天に雷鳴をとどろかせたまへり 至上者のこゑいでて雹ともえたる炭とふりきたり
14 Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
ヱホバ矢をとばせてかれらを打ちらし數しげき電光をはなちてかれらをうち敗りたまへり
15 Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin’ ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavoronao.
ヱホバよ斯るときになんぢの叱咤となんぢの鼻のいぶきとによりて水の底みえ地の基あらはれいでたり
16 Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy;
ヱホバはたかきより手をのべ我をとりて大水よりひきあげ
17 Namonjy ahy tamin’ ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’ izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny
わがつよき仇とわれを憎むものとより我をたすけいだしたまへり かれらは我にまさりて最強かりき
18 Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
かれらはわが災害の日にせまりきたれり 然どヱホバはわが支柱となりたまひき
19 Dia nitondra ahy ho any amin’ ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
ヱホバはわれを悦びたまふがゆゑにわれをたづさへ廣處にだして助けたまへり
20 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy.
ヱホバはわが正義にしたがひて恩賜をたまひ わが手のきよきにしたがひて報賞をたれたまへり
21 Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro;
われヱホバの道をまもり惡をなしてわが神よりはなれしことなければなり
22 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
そのすべての審判はわがまへにありて われその律法をすてしことなければなり
23 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ ny fahotako;
われ神にむかひて缺るところなく己をまもりて不義をはなれたり
24 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan’ ny tanako teo imasony.
この故にヱホバはわがただしきとその目前にわが手のきよきとにしたがひて我にむくいをなし給へり
25 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
なんぢ憐憫あるものには憐みあるものとなり完全ものには全きものとなり
26 Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.
きよきものには潔きものとなり僻むものにはひがむ者となりたまふ
27 Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.
そは汝くるしめる民をすくひたまへど高ぶる目をひくくしたまふ可ればなり
28 Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
なんぢわが燈火をともし給ふべければなり わが神ヱホバわが暗をてらしたまはん
29 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
我なんぢによりて軍の中をはせとほり わが神によりて垣ををどりこゆ
30 Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy.
神はしもその途またくヱホバの言はきよし ヱホバはすべて依賴むものの盾なり
31 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
そはヱホバのほかに神はたれぞや われらの神のほかに巌はたれぞや
32 Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
神はちからをわれに帶しめ わが途を全きものとなしたまふ
33 Manao ny tongotro ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo.
神はわが足を麀のあしのごとくし我をわが高處にたたせたまふ
34 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
神はわが手をたたかひにならはせてわが臂に銅弓をひくことを得しめたまふ
35 Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
又なんぢの救の盾をわれにあたへたまへり なんぢの右手われをささへなんぢの謙卑われを大ならしめたまへり
36 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
なんぢわが歩むところを寛濶ならしめたまひたれば わが足ふるはざりき
37 Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.
われ仇をおひてこれに追及かれらのほろぶるまでは歸ることをせじ
38 Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin’ ny tongotro izy.
われかれらを撃てたつことを得ざらしめん かれらはわが足の下にたふるべし
39 Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
そはなんぢ戰爭のために力をわれに帶しめ われにさからひておこりたつ者をわが下にかがませたまひたればなり
40 Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
我をにくむ者をわが滅しえんがために汝またわが仇の背をわれにむけしめ給へり
41 Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin’ i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
かれら叫びたれども救ふものなく ヱホバに對ひてさけびたれども答へたまはざりき
42 Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin’ ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.
我かれらを風のまへの塵のごとくに搗碎き ちまたの坭のごとくに打棄たり
43 Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
なんぢわれを民のあらそひより助けいだし我をたててもろもろの國の長となしたまへり わがしらざる民われにつかへん
44 Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy.
かれらわが事をききて立刻われにしたがひ異邦人はきたりて佞りつかへん
45 Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy.
ことくにびとは衰へてその城よりをののきいでん
46 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
ヱホバは活ていませり わが磐はほむべきかな わがすくひの神はあがむべきかな
47 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
わがために讎をむくい異邦人をわれに服はせたまふはこの神なり
48 Mamonjy ahy amin’ ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin’ izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin’ ny olon-dozabe.
神はわれを仇よりすくひたまふ實になんぢは我にさからひて起りたつ者のうへに我をあげ あらぶる人より我をたすけいだし給ふ
49 Koa izany no hiderako Anao eny amin’ ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
この故にヱホバよ われもろもろの國人のなかにてなんぢに感謝し なんぢの名をほめうたはん
50 Manao famonjen-dehibe ho an’ ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin’ ny voahosony, dia amin’ i Davida sy ny taranany mandrakizay.
ヱホバはおほいなる救をその王にあたへ その受膏者ダビデとその裔とに世々かぎりなく憐憫をたれたまふ