< Salamo 17 >

1 Fivavak’ i Davida.
Sala ya Daudi. Sikia, Ee Bwana, kusihi kwangu kwa haki, sikiliza kilio changu. Tega sikio kwa ombi langu, halitoki kwenye midomo ya udanganyifu.
2 Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
Hukumu yangu na itoke kwako, macho yako na yaone yale yaliyo haki.
3 Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin’ ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro.
Ingawa unauchunguza moyo wangu na kunikagua usiku, ingawa umenijaribu, hutaona chochote. Nimeamua kwamba kinywa changu hakitatenda dhambi.
4 Ny amin’ ny asan’ ny olona, dia ny tenin’ ny molotrao no nitandremako tsy ho amin’ ny lalan’ ny mpanao an-keriny.
Kuhusu matendo ya wanadamu: kwa neno la midomo yako, nimejiepusha na njia za wenye jeuri.
5 Ny diako maharitra eo amin’ ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
Hatua zangu zimeshikamana na njia zako; nyayo zangu hazikuteleza.
6 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
Ee Mungu, ninakuita, kwa kuwa utanijibu, nitegee sikio lako na usikie ombi langu.
7 Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin’ ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon’ ny fahavalo.
Uonyeshe ajabu ya upendo wako mkuu, wewe uokoaye kwa mkono wako wa kuume wale wanaokukimbilia kutokana na adui zao.
8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin’ ny aloky ny elatrao,
Nilinde kama mboni ya jicho lako, unifiche chini ya kivuli cha mbawa zako
9 Mba tsy ho azon’ ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
kutokana na waovu wanaonishambulia, kutokana na adui wauaji wanaonizunguka.
10 Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
Huifunga mioyo yao iliyo migumu, vinywa vyao hunena kwa majivuno.
11 Manodidina anay amin’ ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin’ ny tany izahay;
Wamenifuatia nyayo zangu, sasa wamenizingira, wakiwa macho, waniangushe chini.
12 Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.
Wamefanana na simba mwenye njaa awindaye, kama simba mkubwa anyemeleaye mafichoni.
13 Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin’ ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon’ ny ratsy fanahy;
Inuka, Ee Bwana, pambana nao, uwaangushe, niokoe kutokana na waovu kwa upanga wako.
14 Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika.
Ee Bwana, mkono wako uniokoe na watu wa jinsi hii, kutokana na watu wa ulimwengu huu ambao fungu lao liko katika maisha haya. Na wapate adhabu ya kuwatosha. Watoto wao na wapate zaidi ya hayo, hukumu na iendelee kwa watoto wa watoto wao.
15 Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
Na mimi katika haki nitauona uso wako, niamkapo, nitaridhika kwa kuona sura yako.

< Salamo 17 >