< Salamo 17 >

1 Fivavak’ i Davida.
Requête de David. Eternel! écoute ma juste cause, sois attentif à mon cri, prête l'oreille à ma requête, [laquelle je te fais] sans qu'il y ait de fraude en mes lèvres.
2 Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
Que mon droit sorte de ta présence, que tes yeux regardent à la justice.
3 Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin’ ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro.
Tu as sondé mon cœur, tu [l']as visité de nuit, tu m'as examiné, tu n'as rien trouvé; ma pensée ne va point au-delà de ma parole.
4 Ny amin’ ny asan’ ny olona, dia ny tenin’ ny molotrao no nitandremako tsy ho amin’ ny lalan’ ny mpanao an-keriny.
Quant aux actions des hommes, selon la parole de tes lèvres, je me suis donné garde de la conduite de l'homme violent.
5 Ny diako maharitra eo amin’ ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
Ayant affermi mes pas en tes sentiers, les plantes de mes pieds n'ont point chancelé.
6 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
Ô [Dieu] Fort! je t'invoque, parce que tu as accoutumé de m'exaucer; incline ton oreille vers moi, écoute mes paroles.
7 Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin’ ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon’ ny fahavalo.
Rends admirables tes gratuités, toi qui délivres ceux qui se retirent vers toi de devant ceux qui s'élèvent contre ta droite.
8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin’ ny aloky ny elatrao,
Garde-moi comme la prunelle de l'œil, [et] me cache sous l'ombre de tes ailes;
9 Mba tsy ho azon’ ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
De devant ces méchants qui m'ont pillé; et de mes ennemis mortels, qui m'environnent.
10 Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
La graisse leur cache le visage; ils parlent fièrement de leur bouche.
11 Manodidina anay amin’ ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin’ ny tany izahay;
Maintenant, ils nous environnent à chaque pas que nous faisons; ils jettent leur regard pour nous étendre par terre.
12 Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.
Il ressemble au lion qui ne demande qu'à déchirer, et au lionceau qui se tient dans les lieux cachés.
13 Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin’ ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon’ ny ratsy fanahy;
Lève-toi, ô Eternel, devance-le, renverse-le; délivre mon âme du méchant [par] ton épée.
14 Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika.
Eternel, [délivre-moi par] ta main de ces gens, des gens du monde, desquels le partage est en cette vie, et dont tu remplis le ventre de tes provisions; leurs enfants sont rassasiés, et ils laissent leurs restes à leurs petits enfants.
15 Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
[Mais] moi, je verrai ta face en justice, et je serai rassasié de ta ressemblance, quand je serai réveillé.

< Salamo 17 >