< Salamo 16 >

1 Miktama nataon’ i Davida.
מכתם לדוד שמרני אל כי-חסיתי בך
2 Hoy izaho ny amin’ i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
אמרת ליהוה אדני אתה טובתי בל-עליך
3 Ary ny amin’ ny olona masìna ambonin’ ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra.
לקדושים אשר-בארץ המה ואדירי כל-חפצי-בם
4 Ho be ny fahorian’ izay manova an’ Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin’ ny molotro ny anarany.
ירבו עצבותם אחר מהרו בל-אסיך נסכיהם מדם ובל-אשא את-שמותם על-שפתי
5 Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
יהוה מנת-חלקי וכוסי-- אתה תומיך גורלי
6 Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
חבלים נפלו-לי בנעמים אף-נחלת שפרה עלי
7 Hisaotra an’ i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ ny alina aza dia mananatra ahy ny foko.
אברך--את-יהוה אשר יעצני אף-לילות יסרוני כליותי
8 Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo ankavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
שויתי יהוה לנגדי תמיד כי מימיני בל-אמוט
9 Izany no ifalian’ ny foko sy iravoravoan’ ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.
לכן שמח לבי--ויגל כבודי אף-בשרי ישכן לבטח
10 Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ ny lavaka Hianao. (Sheol h7585)
כי לא-תעזב נפשי לשאול לא-תתן חסידך לראות שחת (Sheol h7585)
11 Hampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay.
תודיעני ארח חיים שבע שמחות את-פניך נעמות בימינך נצח

< Salamo 16 >