< Salamo 150 >

1 Haleloia. Miderà an’ Andriamanitra eo amin’ ny fitoerany masìna. Miderà Azy eo amin’ ny habakabaky ny heriny.
亞肋路亞!請眾在上主的聖所讚美他,請眾在莊麗的蒼天讚美他,
2 Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ ny voninahiny.
請眾為了上主的豐功偉業而讚美他,請眾為了上主的無限偉大而讚美他。
3 Miderà Azy amin’ ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ ny valiha sy ny lokanga.
請眾吹起號角讚美他,請眾彈琴奏瑟讚美他。
4 Miderà Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
請眾敲鼓舞蹈讚美他,請眾拉絃吹笛讚美他。
5 Miderà Azy amin’ ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ ny kipantsona tsara feo.
請眾以鐃鈸聲讚美他,請眾以鑼鼓聲讚美他。
6 Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’ i Jehovah. Haleloia.
一切有氣息的生物,請讚美上主!亞肋路亞。

< Salamo 150 >