< Salamo 15 >

1 Salamo nataon’ i Davida.
Псало́м Давидів.
2 Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;
Той, хто в невинності ходить, і праведність чинить, і правду говорить у серці своїм,
3 Tsy manendrikendrika amin’ ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,
хто не обмовля́є своїм язиком, і злого не чинить для друга свого, і свого ближнього не зневажає!
4 Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,
Обридли́вий погорджений в очах його, і він богобі́йних шанує, присягає, для себе хоча б і на зло, — і дотримує;
5 Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, ― izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
не дає свого срі́бла на ли́хву, і не бере на невинного пі́дкупу. Хто чинить таке, — ніко́ли той не захита́ється!

< Salamo 15 >