< Salamo 149 >

1 Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona masìna.
הללו יה שירו ליהוה שיר חדש תהלתו בקהל חסידים׃
2 Aoka ny Isiraely hifaly amin’ ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin’ ny Mpanjakany ny zanak’ i Ziona.
ישמח ישראל בעשיו בני ציון יגילו במלכם׃
3 Aoka hidera ny anarany amin’ ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga.
יהללו שמו במחול בתף וכנור יזמרו לו׃
4 Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.
כי רוצה יהוה בעמו יפאר ענוים בישועה׃
5 Aoka ny olona masìna hifaly amin’ ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.
יעלזו חסידים בכבוד ירננו על משכבותם׃
6 Aoka hisy fanandratana an’ Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,
רוממות אל בגרונם וחרב פיפיות בידם׃
7 Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,
לעשות נקמה בגוים תוכחת בל אמים׃
8 Hamatorany ireo mpanjakany amin’ ny gadra, Sy ny olo-malazany amin’ ny gadra vy.
לאסר מלכיהם בזקים ונכבדיהם בכבלי ברזל׃
9 Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masìna rehetra Izany. Haleloia.
לעשות בהם משפט כתוב הדר הוא לכל חסידיו הללו יה׃

< Salamo 149 >