< Salamo 148 >
1 Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.
Хвалите Господа на небесима, хвалите Га на висини.
2 Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
Хвалите Га, сви анђели Његови, хвалите Га, све војске Његове!
3 Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
Хвалите Га, сунце и месече, хвалите Га, све звезде сјајне!
4 Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin’ ny lanitra.
Хвалите Га, небеса над небесима и водо над небесима!
5 Aoka hidera ny anaran’ i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
Нека хвале име Господње, јер Он заповеди и створише се.
6 Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.
Постави их засвагда и зававек, даде наредбу, која неће проћи.
7 Midera an’ i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
Хвалите Господа на земљи, велике рибе и све бездане;
8 Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
Огањ и град, снег и магла, ветар силни, који извршује реч Његову.
9 Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
Горе и сви хумови, родна дрвета и сви кедри,
10 Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,
Звери и сва стока, бубине и птице крилате,
11 Ny mpanjaka amin’ ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ ny tany,
Цареви земаљски и сви народи, кнезови и све судије земаљске,
12 Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
Момци и девојке, старци и деца
13 Samia midera ny anaran’ i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin’ ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.
Нека хвале име Господње; јер је само Његово име узвишено, слава Његова на земљи и на небу.
14 Ary manandratra tandroka ho an’ ny olony Izy, Dia fiderana ho an’ ny olony masìna rehetra, Eny, ho an’ ny Zanak’ Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
Он је узвисио рог народа свог, славу свих светаца својих, синова Израиљевих, народа који је близу Њега.