< Salamo 148 >
1 Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.
Goocai Jehova. Goocai Jehova mũrĩ kũu igũrũ, mũmũgooce mũrĩ kũu gũtũũgĩru mũno.
2 Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
Mũgoocei, inyuĩ araika ake othe, mũmũgooce, inyuothe mbũtũ ciake cia igũrũ.
3 Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
Mũgoocei, inyuĩ riũa na mweri, mũgoocei, inyuothe njata iria icangararaga.
4 Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin’ ny lanitra.
Mũgoocei, inyuĩ igũrũ rĩa igũrũ, o na inyuĩ maaĩ ma kũu igũrũ wa matu.
5 Aoka hidera ny anaran’ i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
Indo ciothe nĩikĩgooce rĩĩtwa rĩa Jehova, nĩgũkorwo nĩwe wathanire na cio ikĩgĩa kuo.
6 Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.
Aaciigire handũ hacio itũũre ho tene na tene; aaheanire kĩrĩra kĩa watho wa kũrũmĩrĩrwo kĩrĩa gĩtagathira.
7 Midera an’ i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
Goocai Jehova gũkũ thĩ, inyuĩ ciũmbe cia iria-inĩ, na ũriku wothe wa maria marĩa manene,
8 Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
rũheni, na mbura ya mbembe, na tharunji, na matu, na ihuhũkanio cia huho iria ihingagia kĩrĩra gĩake,
9 Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
inyuĩ irĩma, na tũrĩma tuothe, na mĩtĩ ya matunda, na mĩtarakwa yothe,
10 Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,
nyamũ cia gĩthaka, na ngʼombe ciothe, na ciũmbe iria nini, o na nyoni iria ciũmbũkaga,
11 Ny mpanjaka amin’ ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ ny tany,
athamaki a thĩ, na ndũrĩrĩ ciothe, na inyuĩ anene, na aathani othe a thĩ,
12 Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
aanake, na airĩtu, na andũ arĩa akũrũ, o na ciana.
13 Samia midera ny anaran’ i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin’ ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.
Othe nĩmagoocage rĩĩtwa rĩa Jehova, nĩgũkorwo rĩĩtwa rĩake riiki nĩrĩo rĩtũũgĩrie; riiri wake ũrĩ igũrũ rĩa thĩ o na rĩa matu.
14 Ary manandratra tandroka ho an’ ny olony Izy, Dia fiderana ho an’ ny olony masìna rehetra, Eny, ho an’ ny Zanak’ Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
Nĩambararĩtie rũhĩa nĩ ũndũ wa andũ ake, nĩruo ũgooci wa andũ ake arĩa aamũre, nĩo andũ a Isiraeli, andũ arĩa marĩ hakuhĩ na ngoro yake. Goocai Jehova.