< Salamo 146 >

1 Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry fanahiko.
할렐루야 내 영혼아 여호와를 찬양하라
2 Hidera an’ i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an’ Andriamanitra aho, raha mbola velona koa.
나의 생전에 여호와를 찬양하며 나의 평생에 내 하나님을 찬송하리로다
3 Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak’ olombelona izay tsy mahavonjy.
방백들을 의지하지 말며 도울 힘이 없는 인생도 의지하지 말지니
4 Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ ny taniny izy; Ary amin’ izay indrindra no hahafoanan’ ny fikasany.
그 호흡이 끊어지면 흙으로 돌아가서 당일에 그 도모가 소멸하리로다
5 Sambatra izay manana an’ Andriamanitr’ i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an’ i Jehovah Andriamaniny,
야곱의 하나님으로 자기 도움을 삼으며 여호와 자기 하나님에게 그 소망을 두는 자는 복이 있도다
6 Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,
여호와는 천지와 바다와 그 중의 만물을 지으시며 영원히 진실함을 지키시며
7 Izay manome rariny ho an’ ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an’ ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra;
압박 당하는 자를 위하여 공의로 판단하시며 주린 자에게 식물을 주시는 자시로다 여호와께서 갇힌 자를 해방하시며
8 Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
여호와께서 소경의 눈을 여시며 여호와께서 비굴한 자를 일으키시며 여호와께서 의인을 사랑하시며
9 Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa.
여호와께서 객을 보호하시며 고아와 과부를 붙드시고 악인의 길은 굽게 하시는도다
10 Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin’ ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.
시온아 여호와 네 하나님은 영원히 대대에 통치하시리로다 할렐루야

< Salamo 146 >