< Salamo 143 >

1 Salamo nataon’ i Davida.
מזמור לדוד יהוה שמע תפלתי האזינה אל תחנוני באמנתך ענני בצדקתך׃
2 Ary aza dia mifandahatra amin’ ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
ואל תבוא במשפט את עבדך כי לא יצדק לפניך כל חי׃
3 Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin’ ny tany izy: Nampitoeriny tao amin’ ny maizina aho, toy izay efa maty ela.
כי רדף אויב נפשי דכא לארץ חיתי הושיבני במחשכים כמתי עולם׃
4 Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.
ותתעטף עלי רוחי בתוכי ישתומם לבי׃
5 Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan’ ny tananao no eritreretiko.
זכרתי ימים מקדם הגיתי בכל פעלך במעשה ידיך אשוחח׃
6 Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao. (Sela)
פרשתי ידי אליך נפשי כארץ עיפה לך סלה׃
7 Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midìna any am-pasana aho.
מהר ענני יהוה כלתה רוחי אל תסתר פניך ממני ונמשלתי עם ירדי בור׃
8 Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
השמיעני בבקר חסדך כי בך בטחתי הודיעני דרך זו אלך כי אליך נשאתי נפשי׃
9 Jehovah ô, vonjeo amin’ ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.
הצילני מאיבי יהוה אליך כסתי׃
10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’ izay tany marina.
למדני לעשות רצונך כי אתה אלוהי רוחך טובה תנחני בארץ מישור׃
11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin’ ny fahoriana.
למען שמך יהוה תחיני בצדקתך תוציא מצרה נפשי׃
12 Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.
ובחסדך תצמית איבי והאבדת כל צררי נפשי כי אני עבדך׃

< Salamo 143 >