< Salamo 141 >

1 Salamo nataon’ i Davida.
psalmus David Domine clamavi ad te exaudi me intende voci meae cum clamavero ad te
2 Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.
dirigatur oratio mea sicut incensum in conspectu tuo elevatio manuum mearum sacrificium vespertinum
3 Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan’ ny vavako; Ambeno ny varavaran’ ny molotro.
pone Domine custodiam ori meo et ostium circumstantiae labiis meis
4 Aza avela hirona ho amin’ ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin’ ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
non declines cor meum in verba malitiae ad excusandas excusationes in peccatis cum hominibus operantibus iniquitatem et non communicabo cum electis eorum
5 Aoka ny marina hamely ahy amin’ ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian’ ireny.
corripiet me iustus in misericordia et increpabit me oleum autem peccatoris non inpinguet caput meum quoniam adhuc et oratio mea in beneplacitis eorum
6 Havarina amin’ ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.
absorti sunt iuncti petrae iudices eorum audient verba mea quoniam potuerunt
7 Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
sicut crassitudo terrae erupta est super terram dissipata sunt ossa nostra secus infernum (Sheol h7585)
8 Fa Hianao no andrandrain’ ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.
quia ad te Domine Domine oculi mei in te speravi non auferas animam meam
9 Arovy aho amin’ ny fandrika amandrihany ahy Sy amin’ ny tadivavaran’ ny mpanao ratsy.
custodi me a laqueo quem statuerunt mihi et ab scandalis operantium iniquitatem
10 Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin’ ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.
cadent in retiaculo eius peccatores singulariter sum ego donec transeam

< Salamo 141 >