< Salamo 140 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, vonjeo amin’ ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe,
Kwa mwimbishaji. Zaburi ya Daudi. Ee Bwana, niokoe, kutoka kwa watu waovu; nilinde na watu wenye jeuri,
2 Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan’ andro
ambao hupanga mipango mibaya mioyoni mwao, na kuchochea vita siku zote.
3 Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony. (Sela)
Wao hufanya ndimi zao kali kama za nyoka, sumu ya nyoka iko midomoni mwao.
4 Jehovah ô, vonjeo amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka.
Ee Bwana, niepushe na mikono ya waovu; nilinde na watu wenye jeuri wanaopanga kunikwaza miguu yangu.
5 Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.
Wenye kiburi wameficha mtego wa kuninasa, wametandaza kamba za wavu wao, wametega mitego kwenye njia yangu.
6 Hoy izaho tamin’ i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon’ ny fifonako, Jehovah ô!
Ee Bwana, ninakuambia, “Wewe ni Mungu wangu.” Ee Bwana, usikie kilio changu na kunihurumia.
7 Jehovah, Tompo ô, ry Herin’ ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin’ ny andro fiadiana Hianao.
Ee Bwana Mwenyezi, Mwokozi wangu mwenye nguvu, unikingaye kichwa changu siku ya vita:
8 Jehovah ô, aza manome ny irin’ ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy. (Sela)
Ee Bwana, usiwape waovu matakwa yao, usiache mipango yao ikafanikiwa, wasije wakajisifu.
9 Ny lohan’ izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan’ ny ratsy tononin’ ny molony.
Vichwa vya wanaonizunguka vifunikwe na shida zinazosababishwa na midomo yao.
10 Aoka hisy vain’ afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin’ ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony.
Makaa ya mawe ya moto na yawaangukie! Na watupwe motoni, katika mashimo ya matope, wasiinuke tena kamwe.
11 Tsy hampitoerina amin’ ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.
Wasingiziaji wasifanikiwe katika nchi; maafa na yawawinde watu wenye jeuri.
12 Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin’ ny mahantra Sady hanome rariny ho an’ ny malahelo.
Najua kwamba Bwana huwapatia maskini haki, na kuitegemeza njia ya mhitaji.
13 Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.
Hakika wenye haki watalisifu jina lako, na waadilifu wataishi mbele zako.