< Salamo 139 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.
Kwa mwimbishaji. Zaburi ya Daudi. Ee Bwana, umenichunguza na kunijua.
2 Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
Unajua ninapoketi na ninapoinuka; unatambua mawazo yangu tokea mbali.
3 Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
Unafahamu kutoka kwangu na kulala kwangu; unaelewa njia zangu zote.
4 Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ ny lelako, Jehovah ô.
Kabla neno halijafika katika ulimi wangu, wewe walijua kikamilifu, Ee Bwana.
5 Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.
Umenizunguka nyuma na mbele; umeweka mkono wako juu yangu.
6 Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.
Maarifa haya ni ya ajabu mno kwangu, ni ya juu sana kwangu kuyafikia.
7 Aiza no hialako amin’ ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
Niende wapi nijiepushe na Roho yako? Niende wapi niukimbie uso wako?
8 Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao. (Sheol h7585)
Kama nikienda juu mbinguni, wewe uko huko; nikifanya vilindi kuwa kitanda changu, wewe uko huko. (Sheol h7585)
9 Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran’ ny ranomasina,
Kama nikipanda juu ya mbawa za mapambazuko, kama nikikaa pande za mbali za bahari,
10 Dia mbola entin’ ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin’ ny tananao ankavanana.
hata huko mkono wako utaniongoza, mkono wako wa kuume utanishika kwa uthabiti.
11 Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,
Kama nikisema, “Hakika giza litanificha na nuru inayonizunguka iwe usiku,”
12 Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.
hata giza halitakuwa giza kwako, usiku utangʼaa kama mchana, kwa kuwa giza ni kama nuru kwako.
13 Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
Kwa maana wewe ndiwe uliyeumba utu wangu wa ndani; uliniunga pamoja tumboni mwa mama yangu.
14 Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Ninakusifu kwa sababu nimeumbwa kwa namna ya ajabu na ya kutisha; kazi zako ni za ajabu, ninajua hayo kikamilifu.
15 Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin’ ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ ny tany.
Umbile langu halikufichika kwako, nilipoumbwa mahali pa siri. Nilipoungwa pamoja kwa ustadi katika vilindi vya nchi,
16 Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin’ ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.
macho yako yaliniona kabla mwili wangu haujakamilika. Siku zangu zote ulizonipangia ziliandikwa katika kitabu chako kabla haijakuwepo hata moja.
17 Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ ny isany!
Tazama jinsi yalivyo ya thamani mawazo yako kwangu, Ee Mungu! Jinsi jumla yake ilivyo kubwa!
18 Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.
Kama ningezihesabu, zingekuwa nyingi kuliko mchanga. Niamkapo, bado niko pamoja nawe.
19 Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà.
Laiti ungewachinja waovu, Ee Mungu! Ondokeni kwangu, ninyi wamwaga damu!
20 Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.
Wanazungumza juu yako wakiwa na kusudi baya, adui zako wanatumia vibaya jina lako.
21 Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin’ izay mitsangana hanohitra Anao?
Ee Bwana, je, nisiwachukie wanaokuchukia? Nisiwachukie sana wanaoinuka dhidi yako?
22 Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
Sina kitu zaidi ya chuki dhidi yao, ninawahesabu ni adui zangu.
23 Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
Ee Mungu, nichunguze, uujue moyo wangu, nijaribu na ujue mawazo yangu.
24 Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin’ ny lalana mandrakizay aho.
Uone kama kuna njia iletayo machukizo ndani yangu, uniongoze katika njia ya milele.

< Salamo 139 >