< Salamo 139 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.
大卫的诗,交与伶长。 耶和华啊,你已经鉴察我,认识我。
2 Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
我坐下,我起来,你都晓得; 你从远处知道我的意念。
3 Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
我行路,我躺卧,你都细察; 你也深知我一切所行的。
4 Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ ny lelako, Jehovah ô.
耶和华啊,我舌头上的话, 你没有一句不知道的。
5 Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.
你在我前后环绕我, 按手在我身上。
6 Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.
这样的知识奇妙,是我不能测的, 至高,是我不能及的。
7 Aiza no hialako amin’ ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
我往哪里去躲避你的灵? 我往哪里逃、躲避你的面?
8 Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao. (Sheol )
我若升到天上,你在那里; 我若在阴间下榻,你也在那里。 (Sheol )
9 Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran’ ny ranomasina,
我若展开清晨的翅膀, 飞到海极居住,
10 Dia mbola entin’ ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin’ ny tananao ankavanana.
就是在那里,你的手必引导我; 你的右手也必扶持我。
11 Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,
我若说:黑暗必定遮蔽我, 我周围的亮光必成为黑夜;
12 Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.
黑暗也不能遮蔽我,使你不见, 黑夜却如白昼发亮。 黑暗和光明,在你看都是一样。
13 Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
我的肺腑是你所造的; 我在母腹中,你已覆庇我。
14 Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
我要称谢你,因我受造,奇妙可畏; 你的作为奇妙,这是我心深知道的。
15 Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin’ ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ ny tany.
我在暗中受造,在地的深处被联络; 那时,我的形体并不向你隐藏。
16 Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin’ ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.
我未成形的体质,你的眼早已看见了; 你所定的日子,我尚未度一日, 你都写在你的册上了。
17 Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ ny isany!
神啊,你的意念向我何等宝贵! 其数何等众多!
18 Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.
我若数点,比海沙更多; 我睡醒的时候,仍和你同在。
19 Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà.
神啊,你必要杀戮恶人; 所以,你们好流人血的,离开我去吧!
20 Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.
因为他们说恶言顶撞你; 你的仇敌也妄称你的名。
21 Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin’ izay mitsangana hanohitra Anao?
耶和华啊,恨恶你的,我岂不恨恶他们吗? 攻击你的,我岂不憎嫌他们吗?
22 Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
我切切地恨恶他们, 以他们为仇敌。
23 Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
神啊,求你鉴察我,知道我的心思, 试炼我,知道我的意念,
24 Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin’ ny lalana mandrakizay aho.
看在我里面有什么恶行没有, 引导我走永生的道路。