< Salamo 138 >

1 Nataon’ i Davida.
לדוד אודך בכל לבי נגד אלהים אזמרך׃
2 Hivavaka manandrify ny tempolinao masìna aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin’ ny anaranao rehetra.
אשתחוה אל היכל קדשך ואודה את שמך על חסדך ועל אמתך כי הגדלת על כל שמך אמרתך׃
3 Tamin’ ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko.
ביום קראתי ותענני תרהבני בנפשי עז׃
4 Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany, Fa handre ny tenin’ ny vavanao izy.
יודוך יהוה כל מלכי ארץ כי שמעו אמרי פיך׃
5 Eny hihira ny amin’ ny lalan’ i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr’ i Jehovah.
וישירו בדרכי יהוה כי גדול כבוד יהוה׃
6 Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.
כי רם יהוה ושפל יראה וגבה ממרחק יידע׃
7 Na dia handeha eo amin’ ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.
אם אלך בקרב צרה תחיני על אף איבי תשלח ידך ותושיעני ימינך׃
8 Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan’ ny tananao.
יהוה יגמר בעדי יהוה חסדך לעולם מעשי ידיך אל תרף׃

< Salamo 138 >