< Salamo 135 >

1 Haleloia. Miderà ny anaran’ i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah,
Dumisani iNkosi! Dumisani ibizo leNkosi, dumisani lina zinceku zeNkosi,
2 Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon’ i Jehovah, Eo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitsika.
elimi endlini yeNkosi, emagumeni endlu kaNkulunkulu wethu.
3 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
Dumisani iNkosi, ngoba iNkosi ilungile; hlabelelani indumiso ebizweni layo, ngoba kumnandi.
4 Fa Jakoba nofidin’ i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
Ngoba iNkosi izikhethele uJakobe, uIsrayeli abe ngokuligugu kwakhe okukhethekileyo.
5 Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin’ ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
Ngoba mina ngiyazi ukuthi iNkosi inkulu, ukuthi iNkosi yethu iphezu kwabo bonke onkulunkulu.
6 Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin’ ny lanitra, na etỳ ambonin’ ny tany, Na any amin’ ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.
Konke iNkosi ekuthandayo iyakwenza, emazulwini lemhlabeni, ezinlwandle lenzikini zonke.
7 Mampiakatra zavona avy amin’ ny faran’ ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
Yenza izinkungu zenyuke emikhawulweni yomhlaba, yenzela izulu imibane, ikhupha umoya eziphaleni zayo.
8 Dia Ilay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, Na olona, na biby.
Eyatshaya izibulo leGibhithe, kusukela emuntwini kuze kube senyamazaneni.
9 Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra,
Yathumela izibonakaliso lezimangaliso phakathi kwakho, Gibhithe, phezu kukaFaro laphezu kwenceku zakhe zonke.
10 Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,
Eyatshaya izizwe ezinengi, yabulala amakhosi alamandla,
11 Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan’ i Basana, Ary ny fanjakan’ i Kanana rehetra;
uSihoni inkosi yamaAmori, loOgi inkosi yeBashani, layo yonke imibuso yeKhanani,
12 Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan’ ny Isiraely olony.
yanikela ilizwe labo laba yilifa, ilifa likaIsrayeli, isizwe sayo.
13 Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.
Nkosi, ibizo lakho limi kuze kube phakade, ukukhunjulwa kwakho, Nkosi, kusizukulwana ngesizukulwana.
14 Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin’ ny mpanompony.
Ngoba iNkosi izakwehlulela abantu bayo, izazisola mayelana lezinceku zayo.
15 Ny sampin’ ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan’ ny tànan’ olona;
Izithombe zezizwe ziyisiliva legolide, umsebenzi wezandla zomuntu.
16 Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
Zilemilomo, kodwa kazikhulumi; zilamehlo, kodwa kaziboni;
17 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.
zilendlebe, kodwa kazizwa; lomoya kawukho emlonyeni wazo.
18 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Abazenzayo bafanana lazo, laye wonke othembela kuzo.
19 Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ Isiraely; Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Arona;
Wena ndlu kaIsrayeli, bongani iNkosi; wena ndlu kaAroni, bongani iNkosi;
20 Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Levy; Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, misaora an’ i Jehovah.
wena ndlu kaLevi, bongani iNkosi. Lina eliyesabayo iNkosi, bongani iNkosi.
21 Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
Kayibongwe iNkosi iseZiyoni, ehlala eJerusalema. Dumisani iNkosi!

< Salamo 135 >