< Salamo 135 >
1 Haleloia. Miderà ny anaran’ i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah,
Hallelujah! Praise the name of the LORD. Give praise, O servants of the LORD,
2 Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon’ i Jehovah, Eo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitsika.
who stand in the house of the LORD, in the courts of the house of our God.
3 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
Hallelujah, for the LORD is good; sing praises to His name, for it is lovely.
4 Fa Jakoba nofidin’ i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
For the LORD has chosen Jacob as His own, Israel as His treasured possession.
5 Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin’ ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
For I know that the LORD is great; our Lord is above all gods.
6 Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin’ ny lanitra, na etỳ ambonin’ ny tany, Na any amin’ ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.
The LORD does all that pleases Him in the heavens and on the earth, in the seas and in all their depths.
7 Mampiakatra zavona avy amin’ ny faran’ ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
He causes the clouds to rise from the ends of the earth. He generates the lightning with the rain and brings forth the wind from His storehouses.
8 Dia Ilay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, Na olona, na biby.
He struck down the firstborn of Egypt, of both man and beast.
9 Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra,
He sent signs and wonders into your midst, O Egypt, against Pharaoh and all his servants.
10 Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,
He struck down many nations and slaughtered mighty kings:
11 Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan’ i Basana, Ary ny fanjakan’ i Kanana rehetra;
Sihon king of the Amorites, Og king of Bashan, and all the kings of Canaan.
12 Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan’ ny Isiraely olony.
He gave their land as an inheritance, as a heritage to His people Israel.
13 Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.
Your name, O LORD, endures forever, Your renown, O LORD, through all generations.
14 Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin’ ny mpanompony.
For the LORD will vindicate His people and will have compassion on His servants.
15 Ny sampin’ ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan’ ny tànan’ olona;
The idols of the nations are silver and gold, made by the hands of men.
16 Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
They have mouths, but cannot speak; they have eyes, but cannot see;
17 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.
they have ears, but cannot hear; nor is there breath in their mouths.
18 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Those who make them become like them, as do all who trust in them.
19 Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ Isiraely; Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Arona;
O house of Israel, bless the LORD; O house of Aaron, bless the LORD;
20 Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Levy; Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, misaora an’ i Jehovah.
O house of Levi, bless the LORD; you who fear the LORD, bless the LORD!
21 Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
Blessed be the LORD from Zion— He who dwells in Jerusalem. Hallelujah!