< Salamo 132 >

1 Fihirana fiakarana.
Ricordati, Signore, di Davide, di tutte le sue prove, Canto delle ascensioni.
2 Dia ilay nianiana tamin’ i Jehovah Sy nivoady tamin’ ny Maherin’ i Jakoba hoe:
quando giurò al Signore, al Potente di Giacobbe fece voto:
3 Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin’ ny farafara fandriako,
«Non entrerò sotto il tetto della mia casa, non mi stenderò sul mio giaciglio,
4 Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,
non concederò sonno ai miei occhi né riposo alle mie palpebre,
5 Mandra-pahitako fitoerana ho an’ i Jehovah. Dia fonenana ho an’ ny Maherin’ i Jakoba.
finché non trovi una sede per il Signore, una dimora per il Potente di Giacobbe».
6 Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin’ ny saha anaty ala isika.
Ecco, abbiamo saputo che era in Efrata, l'abbiamo trovata nei campi di Iàar.
7 Aoka hiditra any amin’ ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin’ ny fitoeran-tongony.
Entriamo nella sua dimora, prostriamoci allo sgabello dei suoi piedi.
8 Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin’ ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran’ ny herinao.
Alzati, Signore, verso il luogo del tuo riposo, tu e l'arca della tua potenza.
9 Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masìna hihoby.
I tuoi sacerdoti si vestano di giustizia, i tuoi fedeli cantino di gioia.
10 Noho ny amin’ i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan’ ny voahosotrao.
Per amore di Davide tuo servo non respingere il volto del tuo consacrato.
11 Jehovah efa nianiana tamin’ i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin’ ny seza fiandriananao.
Il Signore ha giurato a Davide e non ritratterà la sua parola: «Il frutto delle tue viscere io metterò sul tuo trono!
12 Raha hotandreman’ ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany.
Se i tuoi figli custodiranno la mia alleanza e i precetti che insegnerò ad essi, anche i loro figli per sempre sederanno sul tuo trono».
13 Fa Jehovah efa nifidy an’ i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.
Il Signore ha scelto Sion, l'ha voluta per sua dimora:
14 Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.
«Questo è il mio riposo per sempre; qui abiterò, perché l'ho desiderato.
15 Hotahiko tokoa ny fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao.
Benedirò tutti i suoi raccolti, sazierò di pane i suoi poveri.
16 Ny mpisorona ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masìna ao.
Rivestirò di salvezza i suoi sacerdoti, esulteranno di gioia i suoi fedeli.
17 Ao no hampitsimohako tandroka ho an’ i Davida Sy hanamboarako jiro ho an’ ny voahosotro.
Là farò germogliare la potenza di Davide, preparerò una lampada al mio consacrato.
18 Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.
Coprirò di vergogna i suoi nemici, ma su di lui splenderà la corona».

< Salamo 132 >