< Salamo 119 >
1 Sambatra ny mahitsy lalana, Izay mandeha araka ny lalàn’ i Jehovah.
Heri wale walio waadilifu katika njia zao, wanaoenenda katika sheria ya Bwana.
2 Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin’ ny fo rehetra;
Heri wale wanaozishika shuhuda zake, wamtafutao kwa moyo wao wote.
3 Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany.
Wasiofanya lolote lililo baya, wanaoenenda katika njia zake.
4 Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
Umetoa maagizo yako ili tuyatii kwa ukamilifu.
5 Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
Laiti mwenendo wangu ungekuwa imara katika kuyatii maagizo yako!
6 Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
Hivyo mimi sitaaibishwa ninapozingatia amri zako zote.
7 Hidera Anao amin’ ny hitsim-po aho Amin’ ny ianarako ny fitsipikao marina.
Nitakusifu kwa moyo mnyofu ninapojifunza sheria zako za haki.
8 Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
Nitayatii maagizo yako; usiniache kabisa.
9 Inona no hiarovan’ ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.
Kijana aifanye njia yake kuwa safi jinsi gani? Ni kwa kutii, akilifuata neno lako.
10 Tamin’ ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin’ ny didinao aho.
Ninakutafuta kwa moyo wangu wote, usiniache niende mbali na amri zako.
11 Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
Nimelificha neno lako moyoni mwangu ili nisikutende dhambi.
12 Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
Sifa ni zako, Ee Bwana, nifundishe maagizo yako.
13 Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
Kwa midomo yangu nitasimulia sheria zote zinazotoka katika kinywa chako.
14 Ny lalan’ ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin’ ny harena rehetra.
Ninafurahia kufuata sheria zako kama mtu afurahiaye mali nyingi.
15 Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.
Ninatafakari maagizo yako na kuziangalia njia zako.
16 Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
Ninafurahia maagizo yako, wala sitalipuuza neno lako.
17 Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
Mtendee mema mtumishi wako, nami nitaishi; nitalitii neno lako.
18 Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin’ ny lalànao.
Yafungue macho yangu nipate kuona mambo ya ajabu katika sheria yako.
19 Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
Mimi ni mgeni duniani, usinifiche amri zako.
20 Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
Nafsi yangu inataabika kwa shauku kubwa juu ya sheria zako wakati wote.
21 Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin’ ny didinao.
Unawakemea wenye majivuno, waliolaaniwa waendao mbali na amri zako.
22 Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
Niondolee dharau na dhihaka, kwa kuwa ninazishika sheria zako.
23 Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.
Ingawa watawala huketi pamoja na kunisingizia, mtumishi wako atatafakari juu ya maagizo yako.
24 Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
Sheria zako ni furaha yangu, nazo ni washauri wangu.
25 Miraikitra amin’ ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
Nimelazwa chini mavumbini, yahifadhi maisha yangu sawasawa na neno lako.
26 Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
Nilikueleza njia zangu ukanijibu, nifundishe sheria zako.
27 Ampahalalao ahy ny lalan’ ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
Nijulishe mafundisho ya mausia yako, nami nitatafakari maajabu yako.
28 Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.
Nafsi yangu imechakazwa kwa huzuni, uniimarishe sawasawa na neno lako.
29 Ny lalan’ ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.
Niepushe na njia za udanganyifu, kwa neema unifundishe sheria zako.
30 Ny lalàn’ ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
Nimechagua njia ya kweli, nimekaza moyo wangu katika sheria zako.
31 Mifikitra amin’ ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
Nimengʼangʼania sheria zako, Ee Bwana, usiniache niaibishwe.
32 Ny lalan’ ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.
Nakimbilia katika njia ya maagizo yako, kwa kuwa umeuweka moyo wangu huru.
33 Jehovah ô, toroy ny lalan’ ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin’ ny farany izany.
Ee Bwana, nifundishe kuyafuata maagizo yako, nami nitayashika mpaka mwisho.
34 Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin’ ny foko rehetra aho.
Nipe ufahamu, nami nitaishika sheria yako na kuitii kwa moyo wangu wote.
35 Ampandehano amin’ ny lalan’ ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
Niongoze kwenye njia ya amri zako, kwa kuwa huko napata furaha.
36 Amporisiho ny foko ho amin’ ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin’ ny fieremana.
Ugeuze moyo wangu kuelekea sheria zako, na siyo kwenye mambo ya ubinafsi.
37 Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin’ ny lalanao aho.
Geuza macho yangu kutoka kwenye mambo yasiyofaa, uyahifadhi maisha yangu sawasawa na neno lako.
38 Tovy ny teninao amin’ ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra.
Mtimizie mtumishi wako ahadi yako, ili upate kuogopwa.
39 Esory ny fahafaham-baraka, izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.
Niondolee aibu ninayoiogopa, kwa kuwa sheria zako ni njema.
40 Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin’ ny fahamarinanao.
Tazama jinsi ninavyoonea shauku mausia yako! Hifadhi maisha yangu katika haki yako.
41 Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
Ee Bwana, upendo wako usiokoma unijie, wokovu wako sawasawa na ahadi yako,
42 Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.
ndipo nitakapomjibu anayenidhihaki, kwa kuwa ninalitumainia neno lako.
43 Ary aza dia esorina amin’ ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.
Usilinyakue neno la kweli kutoka kinywani mwangu, kwa kuwa nimeweka tumaini langu katika amri zako.
44 Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.
Nitaitii amri yako daima, naam, milele na milele.
45 Ary handeha amin’ ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
Nitatembea nikiwa huru, kwa kuwa nimejifunza mausia yako.
46 Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan’ ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
Nitasema sheria zako mbele za wafalme wala sitaaibishwa,
47 Ary hiravoravo amin’ ny didinao aho Satria tiako ireny.
kwa kuwa ninazifurahia amri zako kwa sababu ninazipenda.
48 Hasandratro ny tanako ho amin’ ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.
Ninaziinulia amri zako ambazo ninazipenda mikono yangu, nami ninatafakari juu ya maagizo yako.
49 Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy.
Kumbuka neno lako kwa mtumishi wako, kwa sababu umenipa tumaini.
50 Izao no mampionona ahy amin’ ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.
Faraja yangu katika mateso yangu ni hii: Ahadi yako inahifadhi maisha yangu.
51 Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin’ ny lalànao aho.
Wenye majivuno wamenisimanga bila kuchoka, hata hivyo sitaiacha sheria yako.
52 Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
Ee Bwana, ninazikumbuka sheria zako za zamani, nazo zinanifariji.
53 Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin’ ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
Nimeshikwa sana na ghadhabu kwa ajili ya waovu, ambao wameacha sheria yako.
54 Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin’ ny trano fivahiniako.
Maagizo yako ni kiini cha nyimbo zangu popote ninapoishi.
55 Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
Ee Bwana, wakati wa usiku ninalikumbuka jina lako, nami nitatii sheria yako.
56 Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho.
Hili limekuwa zoezi langu: nami ninayatii mausia yako.
57 Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
Ee Bwana, wewe ni fungu langu, nimeahidi kuyatii maneno yako.
58 Mifona aminao amin’ ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
Nimetafuta uso wako kwa moyo wangu wote, nihurumie sawasawa na ahadi yako.
59 Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin’ ny teni-vavolombelonao.
Nimezifikiri njia zangu na nimeelekeza hatua zangu katika mausia yako.
60 Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin’ ny fitandremana ny didinao.
Nitafanya haraka bila kuchelewa kuzitii amri zako.
61 Nihodidina tamiko ny famato-ran’ ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
Hata waovu wanifunge kwa kamba, sitasahau sheria yako.
62 Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.
Usiku wa manane ninaamka kukushukuru kwa sababu ya sheria zako za haki.
63 Naman’ izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman’ izay mitandrina ny didinao.
Mimi ni rafiki kwa wale wote wakuchao, kwa wote wanaofuata mausia yako.
64 Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.
Ee Bwana, dunia imejaa upendo wako, nifundishe maagizo yako.
65 Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.
Mtendee wema mtumishi wako Ee Bwana, sawasawa na neno lako.
66 Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.
Nifundishe maarifa na uamuzi mzuri, kwa kuwa ninaamini amri zako.
67 Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
Kabla sijapata shida nilipotea njia, lakini sasa ninalitii neno lako.
68 Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.
Wewe ni mwema, unalotenda ni jema, nifundishe maagizo yako.
69 Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin’ ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
Ingawa wenye majivuno wamenisingizia uongo, nitafuata mausia yako kwa moyo wangu wote.
70 Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.
Mioyo yao ni katili na migumu, bali mimi napendezwa na sheria yako.
71 Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
Ilikuwa vyema mimi kupata shida ili nipate kujifunza maagizo yako.
72 Ny lalàn’ ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.
Sheria inayotoka kinywani mwako ina thamani kubwa kwangu kuliko maelfu ya vipande vya fedha na dhahabu.
73 Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
Mikono yako ilinifanya na kuniumba, nipe ufahamu niweze kujifunza amri zako.
74 Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
Wakuchao wafurahie wanaponiona, kwa kuwa nimeweka tumaini langu katika neno lako.
75 Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
Ee Bwana, ninajua kwamba sheria zako ni za haki, katika uaminifu wako umeniadhibu.
76 Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin’ ny mpanomponao.
Upendo wako usiokoma uwe faraja yangu, sawasawa na ahadi yako kwa mtumishi wako.
77 Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
Huruma yako na inijie ili nipate kuishi, kwa kuwa naifurahia sheria yako.
78 Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.
Wenye majivuno na waaibishwe kwa kunikosea mimi bila sababu, lakini mimi nitatafakari juu ya mausia yako.
79 Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
Wale wakuchao na wanigeukie mimi, hao ambao wanazielewa sheria zako.
80 Aoka ho marina tsara ny foko amin’ ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
Moyo wangu usiwe na lawama katika kutii maagizo yako, ili nisiaibishwe.
81 Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
Nafsi yangu inazimia kwa kutamani wokovu wako, lakini nimeweka tumaini langu katika neno lako.
82 Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?
Macho yangu yamefifia, nikingoja ahadi yako; ninasema, “Utanifajiri lini?”
83 Fa tahaka ny siny hoditra ao amin’ ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko.
Ingawa nimekuwa kama kiriba kwenye moshi, bado sijasahau maagizo yako.
84 Hoatrinona no andron’ ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin’ izay manenjika ahy Hianao?
Mtumishi wako itampasa angoje mpaka lini? Ni lini utawaadhibu washtaki wangu?
85 Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.
Wenye majivuno wananichimbia mashimo, kinyume na sheria yako.
86 Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
Amri zako zote ni za kuaminika; unisaidie, kwa sababu watu wananishtaki bila sababu.
87 Saiky laniny teo amin’ ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
Walikaribia kabisa kunifuta kutoka uso wa dunia, lakini sijaacha mausia yako.
88 Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
Yahifadhi maisha yangu sawasawa na upendo wako, nami nitatii sheria za kinywa chako.
89 Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
Ee Bwana, neno lako ni la milele, linasimama imara mbinguni.
90 Hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
Uaminifu wako unaendelea kwa vizazi vyote, umeiumba dunia, nayo inadumu.
91 Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.
Sheria zako zinadumu hadi leo, kwa kuwa vitu vyote vinakutumikia.
92 Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin’ ny fahoriako aho.
Kama nisingefurahia sheria yako, ningeangamia katika taabu zangu.
93 Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
Sitasahau mausia yako kamwe, kwa maana kwayo umehifadhi maisha yangu.
94 Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
Uniokoe, kwa maana mimi ni wako, kwa kuwa nimetafuta mausia yako.
95 Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
Waovu wanangojea kuniangamiza, bali mimi ninatafakari sheria zako.
96 Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.
Katika ukamilifu wote ninaona mna kikomo, lakini amri zako hazina mpaka.
97 Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
Aha! Tazama, sheria yako naipenda mno ajabu. Ninaitafakari mchana kutwa.
98 Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
Amri zako zimenipa hekima zaidi kuliko adui zangu, kwa kuwa nimezishika daima.
99 Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
Nina akili zaidi kuliko walimu wangu wote, kwa kuwa ninatafakari juu ya sheria zako.
100 Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
Nina ufahamu zaidi kuliko wazee, kwa kuwa ninayatii mausia yako.
101 Efa narovako ny tongotro tsy ho amin’ izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao.
Nimezuia miguu yangu isiende kwenye kila njia mbaya, ili niweze kutii neno lako.
102 Tsy mba miala amin’ ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
Sijaziacha sheria zako, kwa kuwa umenifundisha wewe mwenyewe.
103 Endrey ny hamamin’ ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
Tazama jinsi maneno yako yalivyo matamu kwangu, matamu kuliko asali katika kinywa changu!
104 Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
Ninapata ufahamu kutoka mausia yako, kwa hiyo ninachukia kila njia ya upotovu.
105 Fanilon’ ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
Neno lako ni taa ya miguu yangu na mwanga katika njia yangu.
106 Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
Nimeapa na nimethibitisha, kwamba nitafuata sheria zako za haki.
107 Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
Nimeteseka sana, uhifadhi maisha yangu, Ee Bwana, sawasawa na neno lako.
108 Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
Ee Bwana, pokea sifa za hiari za kinywa changu, nifundishe sheria zako.
109 An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.
Ingawa maisha yangu yako hatarini siku zote, sitasahau sheria yako.
110 Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin’ ny didinao aho.
Waovu wamenitegea mtego, lakini sijayakiuka maagizo yako.
111 Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian’ ny foko izany.
Sheria zako ni urithi wangu milele, naam ni furaha ya moyo wangu.
112 Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin’ ny farany.
Nimekusudia moyoni mwangu kuyafuata maagizo yako mpaka mwisho.
113 Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.
Ninachukia watu wa nia mbili, lakini ninapenda sheria yako.
114 Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako.
Wewe ni kimbilio langu na ngao yangu, nimeweka tumaini langu katika neno lako.
115 Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin’ Andriamanitro.
Ondokeni kwangu, ninyi mtendao mabaya, ili niweze kushika amri za Mungu wangu!
116 Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin’ ny fanantenako aho.
Nihifadhi sawasawa na ahadi yako, nami nitaishi; usiache matumaini yangu yakavunjwa.
117 Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
Nitegemeze, nami nitaokolewa, nami daima nitayaheshimu maagizo yako.
118 Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.
Unawakataa wote wanaoyaasi maagizo yako, kwa maana udanganyifu wao ni bure.
119 Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao.
Waovu wa nchi unawatupa kama takataka, kwa hivyo nazipenda sheria zako.
120 Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
Mwili wangu unatetemeka kwa kukuogopa wewe, ninaziogopa sheria zako.
121 Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin’ ny mpampahory ahy.
Nimetenda yaliyo haki na sawa, usiniache mikononi mwa watesi wangu.
122 Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
Mhakikishie mtumishi wako usalama, usiache wenye kiburi wanionee.
123 Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin’ ny fahamarinanao.
Macho yangu yamefifia, yakitazamia wokovu wako, na kuitazamia ahadi yako ya kweli.
124 Ataovy amin’ ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
Mfanyie mtumishi wako kulingana na upendo wako na unifundishe maagizo yako.
125 Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
Mimi ni mtumishi wako; nipe ufahamu ili niweze kuelewa sheria zako.
126 Efa andro tokony hampisehoan’ i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.
Ee Bwana, wakati wako wa kutenda umewadia, kwa kuwa sheria yako inavunjwa.
127 Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.
Kwa sababu nazipenda amri zako zaidi ya dhahabu, naam, zaidi ya dhahabu safi,
128 Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
na kwa sababu naona maagizo yako yote ni adili, nachukia kila njia potovu.
129 Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
Sheria zako ni za ajabu, hivyo ninazitii.
130 Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina.
Kuingia kwa maneno yako kunaleta nuru, kunampa mjinga ufahamu.
131 Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.
Nimefungua kinywa changu na kuhema, nikitamani amri zako.
132 Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran’ izay tia ny anaranao.
Nigeukie na unihurumie, kama uwafanyiavyo siku zote wale wanaolipenda jina lako.
133 Ampitoero eo amin’ ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
Ongoza hatua zangu kulingana na neno lako, usiache dhambi yoyote initawale.
134 Vonjeo amin’ ny fampahorian’ ny olona Dia hitandrina ny didinao.
Niokoe na uonevu wa wanadamu, ili niweze kutii mausia yako.
135 Ampamirapirato amin’ ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
Mwangazie mtumishi wako uso wako na unifundishe amri zako.
136 Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko Noho ny tsi-fitandreman’ ny olona ny lalànao.
Chemchemi za machozi zinatiririka kutoka machoni yangu, kwa kuwa sheria yako haifuatwi.
137 Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.
Ee Bwana, wewe ni mwenye haki, sheria zako ni sahihi.
138 Efa voadidinao amin’ ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.
Sheria ulizoziweka ni za haki, ni za kuaminika kikamilifu.
139 Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
Jitihada yangu imenidhoofisha, kwa kuwa adui zangu wanayapuuza maneno yako.
140 Voazaha toetra tamin’ ny memy ny teninao, Ka dia tian’ ny mpanomponao.
Ahadi zako zimejaribiwa kikamilifu, mtumishi wako anazipenda.
141 Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.
Ingawa ni mdogo na ninadharauliwa, sisahau mausia yako.
142 Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.
Haki yako ni ya milele, na sheria yako ni kweli.
143 Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.
Shida na dhiki zimenipata, lakini amri zako ni furaha yangu.
144 Ny fahamarinan’ ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
Sheria zako ni sahihi milele, hunipa ufahamu ili nipate kuishi.
145 Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako;
Ee Bwana, ninakuita kwa moyo wangu wote, nami nitayatii maagizo yako.
146 Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.
Ninakuita; niokoe nami nitazishika sheria zako.
147 Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.
Ninaamka asubuhi na mapema na kukuomba msaada; nimeweka tumaini langu katika neno lako.
148 Nialoha ny fiambenana amin’ ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.
Sikufumba macho yangu usiku kucha, ili niweze kutafakari juu ya ahadi zako.
149 Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.
Usikie sauti yangu sawasawa na upendo wako, Ee Bwana, uyahifadhi maisha yangu, sawasawa na sheria zako.
150 Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
Wale wanaopanga mipango miovu wako karibu nami, lakini wako mbali na sheria yako.
151 Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra.
Ee Bwana, hata hivyo wewe u karibu, na amri zako zote ni za kweli.
152 Efa fantatro ela tamin’ ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
Tangu zamani nimejifunza kutoka shuhuda zako kwamba umezithibitisha ili zidumu milele.
153 Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
Yaangalie mateso yangu, uniokoe, kwa kuwa sijasahau sheria yako.
154 Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao.
Nitetee katika hali hii yangu na unikomboe, uyahifadhi maisha yangu sawasawa na ahadi yako.
155 Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
Wokovu uko mbali na waovu, kwa kuwa hawatafuti maagizo yako.
156 Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
Ee Bwana, huruma zako ni kuu, uyahifadhi maisha yangu sawasawa na sheria zako.
157 Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin’ ny teni-vavolombelonao aho.
Adui wanaonitesa ni wengi, lakini mimi sitaziacha sheria zako.
158 Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
Ninawatazama wasioamini kwa chuki, kwa kuwa hawalitii neno lako.
159 He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
Tazama jinsi ninavyopenda mausia yako; Ee Bwana, uyahifadhi maisha yangu, sawasawa na upendo wako.
160 Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
Maneno yako yote ni kweli, sheria zako zote za haki ni za milele.
161 Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran’ ny foko.
Watawala wamenitesa bila sababu, lakini moyo wangu unatetemeka kwa neno lako.
162 Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be.
Nafurahia ahadi zako kama mtu aliyepata mateka mengi.
163 Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.
Ninachukia na kuchukizwa sana na uongo, lakini napenda sheria yako.
164 Impito isan’ andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina.
Ninakusifu mara saba kwa siku, kwa ajili ya sheria zako za haki.
165 Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.
Wanaopenda sheria yako wana amani tele, wala hakuna kitu kinachoweza kuwakwaza.
166 Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.
Ee Bwana, ninangojea wokovu wako, nami ninafuata amri zako,
167 Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy.
Ninazitii sheria zako, kwa sababu ninazipenda mno.
168 Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.
Nimetii mausia yako na sheria zako, kwa kuwa njia zangu zote zinajulikana kwako.
169 Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao.
Ee Bwana, kilio changu na kifike mbele zako, nipe ufahamu sawasawa na neno lako.
170 Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao.
Maombi yangu na yafike mbele zako, niokoe sawasawa na ahadi yako.
171 Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao.
Midomo yangu na ibubujike sifa, kwa kuwa unanifundisha maagizo yako.
172 Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra.
Ulimi wangu na uimbe kuhusu neno lako, kwa kuwa amri zako zote ni za haki.
173 Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho.
Mkono wako uwe tayari kunisaidia, kwa kuwa nimechagua mausia yako.
174 Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako.
Ee Bwana, ninatamani wokovu wako, na sheria yako ni furaha yangu.
175 Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.
Nijalie kuishi ili nipate kukusifu, na sheria zako zinitegemeze.
176 Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.
Nimetangatanga kama kondoo aliyepotea. Mtafute mtumishi wako, kwa kuwa sijasahau amri zako.