< Salamo 119 >

1 Sambatra ny mahitsy lalana, Izay mandeha araka ny lalàn’ i Jehovah.
Happy are they who are upright in their way, Who walk in the law of the LORD!
2 Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin’ ny fo rehetra;
Happy are they who observe his ordinances, And seek him with their whole heart;
3 Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany.
Who also do no iniquity, But walk in his ways!
4 Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
Thou hast commanded us to keep thy precepts diligently.
5 Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
O that my ways were directed to keep thy statutes!
6 Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
Then shall I not be put to shame, When I have respect to all thy commandments.
7 Hidera Anao amin’ ny hitsim-po aho Amin’ ny ianarako ny fitsipikao marina.
I will praise thee in uprightness of heart, When I shall have learned thy righteous laws.
8 Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
I will keep thy statutes; Do not utterly forsake me!
9 Inona no hiarovan’ ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.
How shall a young man keep his way pure? By taking heed to it according to thy word.
10 Tamin’ ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin’ ny didinao aho.
With my whole heart have I sought thee; O let me not wander from thy commandments!
11 Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
Thy word have I hid in my heart, That I might not sin against thee.
12 Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
Blessed be thou, O LORD! O teach me thy statutes!
13 Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
With my lips do I declare All the precepts of thy mouth.
14 Ny lalan’ ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin’ ny harena rehetra.
In the way of thine ordinances I rejoice As much as in all riches.
15 Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.
I meditate on thy precepts, And have respect unto thy ways.
16 Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
I delight myself in thy statutes; I do not forget thy word.
17 Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
Deal kindly with thy servant, that I may live, And have regard to thy word!
18 Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin’ ny lalànao.
Open thou mine eyes, That I may behold wondrous things out of thy law!
19 Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
I am a stranger in the earth; O hide not thy precepts from me!
20 Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
My soul breaketh within me, On account of longing for thy judgments at all times.
21 Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin’ ny didinao.
Thou rebukest the proud, the accursed, Who wander from thy commandments.
22 Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
Remove from me reproach and contempt, For I have kept thine ordinances!
23 Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.
Princes sit and speak against me, But thy servant meditateth on thy statutes.
24 Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
Thine ordinances are my delight; Yea, they are my counsellors.
25 Miraikitra amin’ ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
My soul cleaveth to the dust; O revive me, according to thy word!
26 Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
I have declared my ways, and thou hast heard me; Teach me thy statutes!
27 Ampahalalao ahy ny lalan’ ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
Make me to understand the way of thy precepts! So will I meditate upon thy wonders.
28 Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.
My soul weepeth for trouble; O lift me up according to thy promise!
29 Ny lalan’ ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.
Remove from me the way of falsehood, And graciously grant me thy law!
30 Ny lalàn’ ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
I have chosen the way of truth, And set thy statutes before me.
31 Mifikitra amin’ ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
I cleave to thine ordinances; O LORD! let me not be put to shame!
32 Ny lalan’ ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.
I will run in the way of thy commandments, When thou shalt enlarge my heart.
33 Jehovah ô, toroy ny lalan’ ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin’ ny farany izany.
Teach me, O LORD! the way of thy statutes, That I may keep it to the end!
34 Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin’ ny foko rehetra aho.
Give me understanding, that I may keep thy law; That I may observe it with my whole heart!
35 Ampandehano amin’ ny lalan’ ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
Cause me to tread in the path of thy commandments, For in it I have my delight.
36 Amporisiho ny foko ho amin’ ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin’ ny fieremana.
Incline my heart to thine ordinances, And not to the love of gain!
37 Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin’ ny lalanao aho.
Turn away mine eyes from beholding vanity, And quicken me in thy law!
38 Tovy ny teninao amin’ ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra.
Fulfill to thy servant thy promise, Which thou hast made to him who feareth thee!
39 Esory ny fahafaham-baraka, izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.
Turn away the reproach which I fear; For thy judgments are good.
40 Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin’ ny fahamarinanao.
Behold, I have longed for thy precepts; O quicken thou me in thy righteousness!
41 Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
Let thy mercies come to me, O LORD! And thy help according to thy promise!
42 Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.
So shall I be able to answer him that reproacheth me; For I trust in thy promise.
43 Ary aza dia esorina amin’ ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.
O take not the word of truth utterly out of my mouth! For I trust in thy judgments.
44 Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.
So shall I keep thy law continually, For ever and ever.
45 Ary handeha amin’ ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
I shall walk in a wide path; For I seek thy precepts.
46 Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan’ ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
I will speak of thine ordinances before kings, And will not be ashamed.
47 Ary hiravoravo amin’ ny didinao aho Satria tiako ireny.
I will delight myself in thy commandments, which I love;
48 Hasandratro ny tanako ho amin’ ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.
I will lift up my hands to thy precepts, which I love; I will meditate on thy statutes.
49 Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy.
Remember thy promise to thy servant, Because thou hast caused me to hope!
50 Izao no mampionona ahy amin’ ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.
This is my comfort in my affliction; For thy promise reviveth me.
51 Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin’ ny lalànao aho.
The proud have had me greatly in derision; Yet have I not swerved from thy law.
52 Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
I remember thy judgments of old, O LORD! And I comfort myself.
53 Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin’ ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
Indignation burneth within me, On account of the wicked who forsake thy law.
54 Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin’ ny trano fivahiniako.
Thy statutes have been my song In the house of my pilgrimage.
55 Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
In the night, O LORD! I think of thy name, And keep thy law!
56 Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho.
This have I as my own, That I keep thy precepts.
57 Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
Thou art my portion, O LORD! I have resolved that I will keep thy precepts.
58 Mifona aminao amin’ ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
I have sought thy favor with my whole heart; Be gracious unto me according to thy promise!
59 Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin’ ny teni-vavolombelonao.
I think on my ways, And turn my feet to thy statutes;
60 Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin’ ny fitandremana ny didinao.
I make haste, and delay not, To keep thy commandments.
61 Nihodidina tamiko ny famato-ran’ ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
The snares of the wicked surround me; Yet do I not forget thy law.
62 Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.
At midnight I rise to give thanks to thee On account of thy righteous judgments.
63 Naman’ izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman’ izay mitandrina ny didinao.
I am the companion of all who fear thee, And who obey thy precepts.
64 Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.
The earth, O LORD! is full of thy goodness; O teach me thy statutes!
65 Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.
Thou dost bless thy servant, O LORD! According to thy promise!
66 Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.
Teach me sound judgment and knowledge! For I have faith in thy commandments.
67 Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
Before I was afflicted, I went astray; But now I keep thy word.
68 Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.
Thou art good and doest good; O teach me thy statutes!
69 Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin’ ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
The proud forge lies against me, But I keep thy precepts with my whole heart.
70 Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.
Their heart is senseless like fat; But I delight in thy law.
71 Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
It is good for me that I have been afflicted, That I might learn thy statutes.
72 Ny lalàn’ ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.
The law of thy mouth is better to me Than thousands of gold and silver.
73 Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
Thy hands have made and fashioned me; Give me understanding, that I may learn thy commandments!
74 Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
They who fear thee shall see me and rejoice, Because I trust in thy word.
75 Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
I know, O LORD! that thy judgments are right, And that in faithfulness thou hast afflicted me.
76 Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin’ ny mpanomponao.
O let thy loving-kindness be my comfort, According to thy promise to thy servant!
77 Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
Let thy tender mercies come to me, that I may live! For thy law is my delight.
78 Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.
May the proud be put to shame, who wrong me without cause! But I will meditate on thy precepts.
79 Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
Let those who fear thee turn unto me, And they that know thine ordinances!
80 Aoka ho marina tsara ny foko amin’ ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
May my heart be perfect in thy statutes, That I may not be put to shame!
81 Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
My soul fainteth for thy salvation; In thy promise do I trust.
82 Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?
Mine eyes fail with looking for thy promise; When. say I, wilt thou comfort me?
83 Fa tahaka ny siny hoditra ao amin’ ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko.
Yea, I am become like a bottle in the smoke; Yet do I not forget thy statutes.
84 Hoatrinona no andron’ ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin’ izay manenjika ahy Hianao?
How many are the days of thy servant? When wilt thou execute judgment upon my persecutors?
85 Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.
The proud have digged pits for me; They who do not regard thy law.
86 Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
All thy commandments are faithful; They persecute me without cause; help thou me!
87 Saiky laniny teo amin’ ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
They had almost consumed me from the earth; But I forsook not thy precepts.
88 Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
Quicken me according to thy loving-kindness, That I may keep the law of thy mouth!
89 Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
Thy word, O LORD! abideth for ever, Being established like the heavens;
90 Hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
Thy faithfulness endureth to all generations. Thou hast established the earth, and it abideth.
91 Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.
They continue to this day according to their ordinances; For they are all subject to thee.
92 Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin’ ny fahoriako aho.
Had not thy law been my delight, I should have perished in my affliction.
93 Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
I will never forget thy precepts; For by them thou revivest me.
94 Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
I am thine, help me! For I seek thy precepts.
95 Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
The wicked lie in wait to destroy me; But I will have regard to thine ordinances.
96 Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.
I have seen an end of all perfection; But thy law is exceeding broad.
97 Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
O how I love thy law! It is my daily (meditation)
98 Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
Thou hast made me wiser than my enemies by thy precepts; For they are ever before me.
99 Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
I have more understanding than all my teachers; For thine ordinances are my (meditation)
100 Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
I have more wisdom than the ancients, Because I keep thy precepts.
101 Efa narovako ny tongotro tsy ho amin’ izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao.
I have restrained my feet from every evil way, That I might keep thy word.
102 Tsy mba miala amin’ ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
I depart not from thy statutes, For thou teachest me!
103 Endrey ny hamamin’ ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
How sweet are thy words to my taste; Yea, sweeter than honey to my mouth!
104 Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
From thy precepts I learn wisdom; Therefore do I hate every false way.
105 Fanilon’ ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
Thy word is a lamp to my feet, And a light to my path.
106 Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
I have sworn, and I will perform it, That I will keep thy righteous statutes.
107 Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
I am exceedingly afflicted; Revive me, O LORD! according to thy word!
108 Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
Accept, O LORD! the free-will offering of my mouth, And teach me thy statutes!
109 An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.
My life is continually in my hand; Yet do I not forget thy law.
110 Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin’ ny didinao aho.
The wicked lay snares for me, Yet do I not go astray from thy precepts.
111 Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian’ ny foko izany.
I have made thine ordinances my possession for ever; For they are the joy of my heart.
112 Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin’ ny farany.
I have inclined my heart to perform thy statutes, Always, —even to the end.
113 Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.
I hate impious men, And thy law I do love.
114 Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako.
Thou art my hiding-place and my shield; In thy word I put my trust!
115 Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin’ Andriamanitro.
Depart from me, ye evil-doers! For I will keep the commandments of my God.
116 Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin’ ny fanantenako aho.
Uphold me according to thy promise, that I may live; And let me not be ashamed of my hope!
117 Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
Do thou hold me up, and I shall be safe, And I will have respect to thy statutes continually!
118 Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.
Thou castest off all who depart from thy laws; For their deceit is vain.
119 Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao.
Thou throwest away all the wicked of the earth, like dross; Therefore I love thine ordinances.
120 Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
My flesh trembleth through fear of thee, And I am afraid of thy judgments.
121 Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin’ ny mpampahory ahy.
I have done justice and equity; O leave me not to mine oppressors.
122 Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
Be surety for thy servant for good; Let not the proud oppress me!
123 Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin’ ny fahamarinanao.
Mine eyes fail with looking for thy help, And for thy righteous promise.
124 Ataovy amin’ ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
Deal with thy servant according to thy mercy, And teach me thy statutes!
125 Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
I am thy servant; give me understanding, That I may know thine ordinances!
126 Efa andro tokony hampisehoan’ i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.
It is time for thee, O LORD! to act; For men have made void thy law.
127 Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.
Therefore I love thy commandments above gold; Yea, above fine gold.
128 Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
Therefore I esteem all thy precepts concerning all things to be right; I hate every false way.
129 Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
Wonderful are thine ordinances; Therefore do I observe them.
130 Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina.
The communication of thy precepts giveth light; It giveth understanding to the simple.
131 Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.
I open my mouth and pant: For I long for thy commandments.
132 Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran’ izay tia ny anaranao.
Look thou upon me, and be gracious to me, As is just to those who love thy name!
133 Ampitoero eo amin’ ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
Establish my footsteps in thy word, And let no iniquity have dominion over me!
134 Vonjeo amin’ ny fampahorian’ ny olona Dia hitandrina ny didinao.
Redeem me from the oppression of men, So will I keep thy precepts!
135 Ampamirapirato amin’ ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
Let thy face shine on thy servant, And teach me thy statutes!
136 Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko Noho ny tsi-fitandreman’ ny olona ny lalànao.
Rivers of water run down mine eyes, Because men keep not thy law.
137 Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.
Righteous art thou, O LORD! And just are thy judgments!
138 Efa voadidinao amin’ ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.
Just are the ordinances which thou hast ordained, And altogether righteous.
139 Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
My zeal consumeth me, Because my enemies forget thy word.
140 Voazaha toetra tamin’ ny memy ny teninao, Ka dia tian’ ny mpanomponao.
Thy word is very pure, Therefore thy servant loveth it.
141 Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.
Of mean condition am I, and despised; Yet do I not forget thy precepts.
142 Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.
Thy righteousness is everlasting righteousness, And thy law is truth.
143 Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.
Trouble and anguish have taken hold of me, But thy laws are my delight.
144 Ny fahamarinan’ ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
The justice of thine ordinances is everlasting; Give me understanding, and I shall live!
145 Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako;
I cry to thee with my whole heart; Hear me, O LORD! that I may keep thy statutes.
146 Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.
I cry unto thee; save me, And I will observe thine ordinances.
147 Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.
I come before the dawn with my prayer; I trust in thy promise!
148 Nialoha ny fiambenana amin’ ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.
My eyes anticipate the night-watches, That I may meditate upon thy promise.
149 Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.
Hear my voice according to thy loving-kindness; O LORD! revive me according to thy mercy!
150 Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
Near are they whose aim is mischief; They are far from thy law;
151 Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra.
Yet thou art near, O LORD! And all thy commandments are truth!
152 Efa fantatro ela tamin’ ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
Long have I known concerning thine ordinances, That thou hast founded them for ever.
153 Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
Look upon my affliction, and deliver me! For I do not forget thy law.
154 Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao.
Maintain my cause, and redeem me; Revive me according to thy promise!
155 Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
Salvation is far from the wicked, Because they seek not thy statutes.
156 Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
Great is thy compassion, O LORD! Revive thou me according to thine equity!
157 Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin’ ny teni-vavolombelonao aho.
Many are my persecutors and my enemies, Yet do I not depart from thine ordinances.
158 Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
I behold the transgressors, and am grieved Because they regard not thy word.
159 He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
Behold, how I love thy precepts! O LORD! revive me according to thy loving-kindness!
160 Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
The whole of thy word is truth, And all thy righteous judgments endure for ever.
161 Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran’ ny foko.
Princes have persecuted me without cause; But my heart standeth in awe of thy word.
162 Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be.
I rejoice in thy word, As one that hath found great spoil.
163 Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.
I hate and abhor lying, And thy law do I love.
164 Impito isan’ andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina.
Seven times a day do I praise thee On account of thy righteous judgments.
165 Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.
Great peace have they who love thy law, And no evil shall befall them.
166 Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.
O LORD! I wait for thy salvation, And keep thy commandments!
167 Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy.
My soul observeth thine ordinances, And loveth them exceedingly.
168 Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.
I keep thy precepts and thine ordinances; For all my ways are before thee.
169 Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao.
Let my prayer come near before thee, O LORD! According to thy promise, give me understanding!
170 Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao.
Let my supplication come before thee; O deliver me according to thy promise!
171 Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao.
My lips shall pour forth praise; For thou teachest me thy statutes.
172 Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra.
My tongue shall sing of thy word; For all thy commandments are right.
173 Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho.
Let thy hand be my help; For I have chosen thy precepts!
174 Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako.
I long for thy salvation, O LORD! And thy law is my delight!
175 Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.
Let me live, and I will praise thee; Let thy judgments help me!
176 Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.
I wander like a lost sheep; seek thy servant, For I do not forget thy commandments!

< Salamo 119 >