< Salamo 115 >
1 Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
Sio kwetu sisi, Ee Bwana, sio kwetu sisi, bali utukufu ni kwa jina lako, kwa sababu ya upendo na uaminifu wako.
2 Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
Kwa nini mataifa waseme, “Yuko wapi Mungu wao?”
3 Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
Mungu wetu yuko mbinguni, naye hufanya lolote limpendezalo.
4 Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona:
Lakini sanamu zao ni za fedha na dhahabu, zilizotengenezwa kwa mikono ya wanadamu.
5 Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
Zina vinywa, lakini haziwezi kusema, zina macho, lakini haziwezi kuona;
6 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
zina masikio, lakini haziwezi kusikia, zina pua, lakini haziwezi kunusa;
7 Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
zina mikono, lakini haziwezi kupapasa, zina miguu, lakini haziwezi kutembea; wala koo zao haziwezi kutoa sauti.
8 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Wale wanaozitengeneza watafanana nazo, vivyo hivyo wale wote wanaozitumainia.
9 Ry Isiraely ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
Ee nyumba ya Israeli, mtumainini Bwana, yeye ni msaada na ngao yao.
10 Ry taranak’ i Arona ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
Ee nyumba ya Aroni, mtumainini Bwana, yeye ni msaada na ngao yao.
11 Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
Ninyi mnaomcha, mtumainini Bwana, yeye ni msaada na ngao yao.
12 Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’ i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’ i Arona Izy;
Bwana anatukumbuka na atatubariki: ataibariki nyumba ya Israeli, ataibariki nyumba ya Aroni,
13 Hotahiny izay matahotra an’ i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
atawabariki wale wanaomcha Bwana, wadogo kwa wakubwa.
14 Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin’ ny zanakareo.
Bwana na awawezeshe kuongezeka, ninyi na watoto wenu.
15 Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Mbarikiwe na Bwana Muumba wa mbingu na dunia.
16 Ny lanitra dia an’ i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an’ ny zanak’ olombelona.
Mbingu zilizo juu sana ni mali ya Bwana, lakini dunia amempa mwanadamu.
17 Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah. Na izay midìna any amin’ ny mangingina;
Sio wafu wanaomsifu Bwana, wale washukao mahali pa kimya,
18 Fa izahay hisaotra an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. Haleloia.
bali ni sisi tunaomtukuza Bwana, sasa na hata milele. Msifuni Bwana.