< Salamo 115 >

1 Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
Not to us, O LORD, not to us, but to Your name be the glory, because of Your loving devotion, because of Your faithfulness.
2 Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
Why should the nations say, “Where is their God?”
3 Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
Our God is in heaven; He does as He pleases.
4 Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona:
Their idols are silver and gold, made by the hands of men.
5 Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
They have mouths, but cannot speak; they have eyes, but cannot see;
6 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
they have ears, but cannot hear; they have noses, but cannot smell;
7 Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
they have hands, but cannot feel; they have feet, but cannot walk; they cannot even clear their throats.
8 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Those who make them become like them, as do all who trust in them.
9 Ry Isiraely ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
O Israel, trust in the LORD! He is their help and shield.
10 Ry taranak’ i Arona ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
O house of Aaron, trust in the LORD! He is their help and shield.
11 Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
You who fear the LORD, trust in the LORD! He is their help and shield.
12 Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’ i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’ i Arona Izy;
The LORD is mindful of us; He will bless us. He will bless the house of Israel; He will bless the house of Aaron;
13 Hotahiny izay matahotra an’ i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
He will bless those who fear the LORD— small and great alike.
14 Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin’ ny zanakareo.
May the LORD give you increase, both you and your children.
15 Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
May you be blessed by the LORD, the Maker of heaven and earth.
16 Ny lanitra dia an’ i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an’ ny zanak’ olombelona.
The highest heavens belong to the LORD, but the earth He has given to mankind.
17 Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah. Na izay midìna any amin’ ny mangingina;
It is not the dead who praise the LORD, nor any who descend into silence.
18 Fa izahay hisaotra an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. Haleloia.
But it is we who will bless the LORD, both now and forevermore. Hallelujah!

< Salamo 115 >