< Salamo 110 >

1 Salamo nataon’ i Davida.
Псалом Давида. Сказал Господь Господу моему: седи одесную Меня, доколе положу врагов Твоих в подножие ног Твоих.
2 Ny tehin’ ny herinao Havoak’ i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin’ ny fahavalonao Hianao.
Жезл силы Твоей пошлет Господь с Сиона: господствуй среди врагов Твоих.
3 Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.
В день силы Твоей народ Твой готов во благолепии святыни; из чрева прежде денницы подобно росе рождение Твое.
4 Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka.
Клялся Господь и не раскается: Ты священник вовек по чину Мелхиседека.
5 Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ ny andron’ ny fahatezerany
Господь одесную Тебя. Он в день гнева Своего поразит царей;
6 Hitsara any amin’ ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin’ ny tany malalaka Izy.
совершит суд над народами, наполнит землю трупами, сокрушит голову в земле обширной.
7 Hisotro amin’ ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan’ ny lohany.
Из потока на пути будет пить, и потому вознесет главу.

< Salamo 110 >