< Salamo 107 >
1 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Mshukuruni Bwana, kwa kuwa yeye ni mwema, upendo wake wadumu milele.
2 Aoka hanao izany ny navotan’ i Jehovah, Dia izay navotany ho afaka tamin’ ny tanan’ ny fahavalo,
Waliokombolewa wa Bwana na waseme hivi, wale aliowaokoa kutoka mkono wa adui,
3 Sy nangoniny avy tany amin’ ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin’ ny ranomasina.
wale aliowakusanya kutoka nchi mbalimbali, kutoka mashariki na magharibi, kutoka kaskazini na kusini.
4 Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.
Baadhi yao walitangatanga jangwani, hawakuona njia ya kuwafikisha mji ambao wangeweza kuishi.
5 Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
Walikuwa na njaa na kiu, nafsi zao zikadhoofika.
6 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny;
Ndipo walipomlilia Bwana katika shida yao, naye akawaokoa kutoka taabu yao.
7 Dia nitondra azy tamin’ ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin’ izay tanàna honenana.
Akawaongoza kwa njia iliyo sawa hadi mji ambao wangeweza kuishi.
8 Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Basi na wamshukuru Bwana kwa upendo wake usiokoma, na kwa matendo yake ya ajabu kwa wanadamu,
9 Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
kwa maana yeye humtosheleza mwenye kiu, na kumshibisha mwenye njaa kwa vitu vyema.
10 Izay nipetraka tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,
Wengine walikaa gizani na katika huzuni kuu, wafungwa wakiteseka katika minyororo,
11 Satria nandà ny tenin’ Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
kwa sababu walikuwa wameasi dhidi ya maneno ya Mungu na kudharau shauri la Aliye Juu Sana.
12 Dia nampietreny tamin’ ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;
Aliwatumikisha kwa kazi ngumu; walijikwaa na hapakuwepo yeyote wa kuwasaidia.
13 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny.
Ndipo walipomlilia Bwana katika shida yao, naye akawaokoa kutoka taabu yao.
14 Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany.
Akawatoa katika giza na huzuni kuu na akavunja minyororo yao.
15 Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Basi na wamshukuru Bwana kwa upendo wake usiokoma, na kwa matendo yake ya ajabu kwa wanadamu,
16 Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
kwa kuwa yeye huvunja malango ya shaba na kukata mapingo ya chuma.
17 Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:
Wengine wakawa wapumbavu kutokana na uasi wao, wakapata mateso kwa sababu ya uovu wao.
18 Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin’ ny fahafatesana izy.
Wakachukia kabisa vyakula vyote, wakakaribia malango ya mauti.
19 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny.
Ndipo walipomlilia Bwana katika shida yao, naye akawaokoa kutoka taabu yao.
20 Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin’ ny longoa nianjerany.
Akalituma neno lake na kuwaponya, akawaokoa kutoka maangamizo yao.
21 Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Basi na wamshukuru Bwana kwa upendo wake usiokoma, na kwa matendo yake ya ajabu kwa wanadamu.
22 Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin’ ny fihobiana.
Na watoe dhabihu za kushukuru, na wasimulie matendo yake kwa nyimbo za furaha.
23 Izay midìna any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin’ ny rano lehibe
Wengine walisafiri baharini kwa meli, walikuwa wafanyabiashara kwenye maji makuu.
24 No mahita ny asan’ i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin’ ny rano lalina.
Waliziona kazi za Bwana, matendo yake ya ajabu kilindini.
25 Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;
Kwa maana alisema na kuamsha tufani iliyoinua mawimbi juu.
26 Niakatra hatramin’ ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana.
Yakainuka juu mbinguni, yakashuka chini hadi vilindini, katika hatari hii ujasiri wao uliyeyuka.
27 Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
Walipepesuka na kuyumbayumba kama walevi, ujanja wao ukafikia ukomo.
28 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin’ ny fahatereny Izy.
Ndipo walipomlilia Bwana katika shida yao, naye akawatoa kwenye taabu yao.
29 Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
Akatuliza dhoruba kwa mnongʼono, mawimbi ya bahari yakatulia.
30 Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin’ ny fitodiana niriny izy.
Walifurahi ilipokuwa shwari, naye akawaongoza hadi bandari waliyoitamani.
31 Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Basi na wamshukuru Bwana kwa upendo wake usiokoma, na kwa matendo yake ya ajabu kwa wanadamu.
32 Ary aoka hanandratra Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona izy Ka hidera Azy eo amin’ ny fipetrahan’ ny loholona.
Na wamtukuze yeye katika kusanyiko la watu, na wamsifu katika baraza la wazee.
33 Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
Yeye aligeuza mito kuwa jangwa, chemchemi za maji zitiririkazo kuwa ardhi yenye kiu,
34 Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian’ ny mponina eo.
nchi izaayo ikawa ya chumvi isiyofaa, kwa sababu ya uovu wa wale walioishi humo.
35 Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
Aligeuza jangwa likawa madimbwi ya maji, nayo ardhi kame kuwa chemchemi za maji zitiririkazo;
36 Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
aliwaleta wenye njaa wakaishi humo, nao wakajenga mji wangeweza kuishi.
37 Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.
Walilima mashamba na kupanda mizabibu, nayo ikazaa matunda mengi,
38 Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
Mungu aliwabariki, hesabu yao ikaongezeka sana, wala hakuruhusu mifugo yao kupungua.
39 Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
Kisha hesabu yao ilipungua, na walinyenyekeshwa kwa kuonewa, maafa na huzuni.
40 Mampidina fanamavoana amin’ ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
Yeye ambaye huwamwagia dharau wakuu, aliwafanya watangetange nyikani isiyo na njia.
41 Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy, Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.
Lakini yeye aliwainua wahitaji katika taabu zao, na kuongeza jamaa zao kama makundi ya kondoo.
42 Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.
Wanyofu wataona na kufurahi, lakini waovu wote watafunga vinywa vyao.
43 Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon’ i Jehovah.
Yeyote aliye na hekima, ayasikie mambo haya, na atafakari upendo mkuu wa Bwana.