< Salamo 106 >
1 Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Yabi Ubangiji. Yi godiya ga Ubangiji, gama nagari ne shi; ƙaunarsa madawwamiya ce har abada.
2 Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon’ i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
Wane ne zai furta manyan ayyukan Ubangiji ko yă furta cikakken yabonsa?
3 Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.
Masu albarka ne waɗanda suke yin adalci, waɗanda kullum suke yin abin da yake daidai.
4 Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin’ ny famonjenao aho,
Ka tuna da ni, ya Ubangiji, sa’ad da ka nuna alheri ga mutanenka, ka zo ka taimake ni sa’ad da ka cece su,
5 Hahitako ny soa azon’ ny voafidinao, Hifaliako amin’ ny fifalian’ ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin’ ny lovanao.
don in ji daɗin nasarar zaɓaɓɓunka, don in sami rabo cikin farin cikin al’ummarka in kuma shiga gādonka cikin yin yabo.
6 Efa nanota izahay mbamin’ ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
Mun yi zunubi, kamar yadda kakanninmu suka yi; mun yi ba daidai ba muka kuma aikata mugunta.
7 Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan’ ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron’ ny Ranomasina Mena
Sa’ad da kakanninmu suke a Masar, ba su damu da mu’ujizanka ba; ba su tuna yawan alheranka ba, suka kuma yi tayarwa a teku, Jan Teku.
8 Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
Duk da haka ya cece su saboda sunansa, don yă sanar da ikonsa mai girma.
9 Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,
Ya tsawata wa Jan Teku, ya kuwa bushe; ya bi da su ta cikin zurfafa sai ka ce a hamada.
10 Namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalo.
Ya cece su daga hannun maƙiyi; daga hannun abokin gāba ya fanshe su.
11 Dia nosaronan’ ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Ruwaye suka rufe abokan gābansu; babu ko ɗaya da ya tsira.
12 Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.
Sa’an nan suka gaskata alkawarinsa suka kuma rera yabonsa.
13 Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
Amma nan da nan suka manta abin da ya yi ba su kuwa jira shawararsa ba.
14 Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an’ Andriamanitra tany an-tany foana.
A cikin hamada suka bar sha’awarsu ta mamaye su a ƙasar da babu kome suka gwada Allah.
15 Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.
Sai ya ba su abin da suka roƙa, amma ya aika musu da muguwar cuta.
16 Dia nialona an’ i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an’ i Arona, olo-masin’ i Jehovah.
A sansani suka ji kishin Musa da kuma Haruna, wanda Ubangiji ya keɓe.
17 Nisokatra ny tany, dia nitelina an’ i Datana Ka nanarona ny antokon’ i Abìrama.
Ƙasa ta buɗe ta haɗiye Datan ta binne iyalin Abiram.
18 Dia nisy afo nirehitra tamin’ ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.
Wuta ta ƙuno a cikin mabiyansu; harshen wuta ya cinye mugaye.
19 Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan’ ny sarin-javatra an-idina.
A Horeb suka yi ɗan maraƙi suka yi wa gunkin zubi daga ƙarfe sujada.
20 Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin’ ny omby homana ahitra.
Suka sauke Ɗaukakarsu saboda siffar bijimi, wanda yake cin ciyawa.
21 Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
Suka manta da Allahn da ya cece su, wanda ya aikata manyan abubuwa a Masar,
22 Dia fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama sy zava-mahatahotra teo amin’ ny Ranomasina Mena.
mu’ujizai a ƙasar Ham ayyukan banrazana a Jan Teku.
23 Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin’ ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.
Don haka ya ce zai hallaka su, amma Musa, zaɓaɓɓensa, ya yi godo a gabansa don yă kau da hasalarsa daga hallaka su.
24 Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
Sai suka rena ƙasa mai ni’ima; ba su gaskata alkawarinsa ba.
25 Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon’ i Jehovah.
Suka yi gunaguni a tentunansu ba su kuwa yi biyayya da Ubangiji ba.
26 Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
Saboda haka ya rantse musu ya kuma ɗaga hannu cewa zai sa su mutu a cikin hamada,
27 Ary ny taranany kosa any amin’ ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin’ ny tany maro Izy.
ya sa zuriyarsu su mutu a cikin al’ummai ya kuma watsar da su cikin dukan ƙasashe.
28 Nikambana tamin’ i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ ny maty,
Suka haɗa kai da Ba’al-Feyor suka kuma ci hadayun da aka miƙa wa allolin da ba su da rai;
29 Dia nampahatezitra an’ i Jehovah tamin’ ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
suka tsokane Ubangiji ya yi fushi ta wurin mugayen ayyukansu, sai annoba ta ɓarke a cikinsu.
30 Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
Amma Finehas ya miƙe tsaye ya ɗauki mataki, sai annobar ta daina.
31 Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin’ ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
An ayana masa wannan a matsayin adalci har zamanai marar matuƙa masu zuwa.
32 Nampahatezitra an’ i Jehovah teo anilan’ ny ranon’ i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an’ i Mosesy noho ny nataon’ ireo;
A ruwan Meriba suka ba Ubangiji fushi, sai wahala ta zo wa Musa saboda su;
33 Fa niodina tamin’ ny Fanahin’ i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
saboda sun yi tayarwa a kan Ruhun Allah, har mugayen kalmomi suka fito daga leɓunan Musa.
34 Tsy naringany ny firenena Izay nasain’ i Jehovah naringany;
Ba su hallakar da mutanen yadda Ubangiji ya umarce su ba,
35 Fa nifangaro tamin’ ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
amma suka yi cuɗanya da al’ummai suka ɗauki al’adunsu.
36 Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
Suka yi wa gumakansu sujada, waɗanda suka zama tarko gare su.
37 Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an’ ny demonia ireo;
Suka miƙa’ya’yansu maza hadaya’yan matansu kuma ga aljanu.
38 Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran’ ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an’ ny sampin’ i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin’ ny rà izy.
Suka zub da jini marar laifi, jinin’ya’yansu maza da mata, waɗanda suka miƙa hadaya ga gumakan Kan’ana, ƙasar kuwa ta ƙazantu ta wurin jininsu.
39 Ary naloto tamin’ ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
Suka ƙazantar da kansu ta wurin abin da suka yi; ta wurin ayyukansu suka yi karuwanci.
40 Dia nirehitra tamin’ ny olony ny fahatezeran’ i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
Saboda haka Ubangiji ya yi fushi da mutanensa ya ji ƙyamar gādonsa.
41 Dia nanolotra azy teo an-tànan’ ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.
Ya miƙa su ga al’ummai, maƙiyansu kuma suka yi mulki a kansu.
42 Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin’ ny tànany izy.
Abokan gābansu suka danne su suka sa su a ƙarƙashin ikonsu.
43 Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.
Sau da yawa ya cece su, amma sun nace su yi tawaye suka kuma lalace cikin zunubinsu.
44 Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;
Amma ya lura da wahalarsu sa’ad da ya ji kukansu;
45 Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben’ ny famindram-pony.
saboda su ya tuna da alkawarinsa kuma daga yawan ƙaunarsa ya ji tausayi.
46 Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin’ izay rehetra namabo azy.
Ya sa aka ji tausayinsu a wurin dukan waɗanda suka kame su.
47 Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna Sy hifalianay amin’ ny fiderana Anao.
Ka cece mu, Ubangiji Allahnmu, ka kuma tattara mu daga al’ummai, don mu yi wa sunanka mai tsarki godiya mu kuma ɗaukaka cikin yabonka.
48 Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.
Yabo ga Ubangiji, Allah na Isra’ila, daga madawwami zuwa madawwami. Bari dukan mutane su ce, “Amin!” Yabo ga Ubangiji.