< Salamo 105 >

1 Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin’ ny firenena ny asany.
Mshukuruni Bwana, liitieni jina lake, wajulisheni mataifa yale aliyoyatenda.
2 Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
Mwimbieni yeye, mwimbieni yeye sifa, waambieni matendo yake yote ya ajabu.
3 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.
Lishangilieni jina lake takatifu, mioyo ya wale wamtafutao Bwana na ifurahi.
4 Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
Mtafuteni Bwana na nguvu zake, utafuteni uso wake siku zote.
5 Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ ny vavany,
Kumbuka matendo ya ajabu aliyoyafanya, miujiza yake na hukumu alizozitamka,
6 Ry taranak’ i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba.
enyi wazao wa Abrahamu mtumishi wake, enyi wana wa Yakobo, wateule wake.
7 Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
Yeye ndiye Bwana Mungu wetu, hukumu zake zimo duniani pote.
8 Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,
Hulikumbuka agano lake milele, neno ambalo aliamuru, kwa vizazi elfu,
9 Eny, ilay nataony tamin’ i Abrahama, Sy ny fianianany tamin’ Isaka;
agano alilolifanya na Abrahamu, kiapo alichomwapia Isaki.
10 Izay naoriny ho lalana ho an’ i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely,
Alilithibitisha kwa Yakobo kuwa amri, kwa Israeli liwe agano la milele:
11 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina,
“Nitakupa wewe nchi ya Kanaani kuwa sehemu utakayoirithi.”
12 Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
Walipokuwa wachache kwa idadi, wachache sana na wageni ndani yake,
13 Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa,
walitangatanga kutoka taifa moja hadi jingine, kutoka ufalme mmoja hadi mwingine.
14 Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:
Hakuruhusu mtu yeyote awaonee; kwa ajili yao aliwakemea wafalme, akisema:
15 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
“Msiwaguse niliowatia mafuta; msiwadhuru manabii wangu.”
16 Dia niantso ny mosary ho amin’ ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan’ aina;
Akaiita njaa juu ya nchi na kuharibu chakula chao chote,
17 Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
naye akatuma mtu mbele yao, Yosefu, aliyeuzwa kama mtumwa.
18 Nampijaliny tamin’ ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
Walichubua miguu yake kwa minyororo, shingo yake ilifungwa kwa chuma,
19 Mandra-pahatongan’ ny fotoana hahatanterahan’ ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin’ i Jehovah.
hadi yale aliyotangulia kusema yalipotimia, hadi neno la Bwana lilipomthibitisha.
20 Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
Mfalme alituma watu wakamfungua, mtawala wa watu alimwachia huru.
21 Nanao azy ho tompon’ ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
Alimfanya mkuu wa nyumba yake, mtawala juu ya vyote alivyokuwa navyo,
22 Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
kuwaelekeza wakuu wa mfalme apendavyo na kuwafundisha wazee wake hekima.
23 Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin’ ny tanin’ i Hama.
Kisha Israeli akaingia Misri, Yakobo akaishi kama mgeni katika nchi ya Hamu.
24 Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
Bwana aliwafanya watu wake kuzaana sana, akawafanya kuwa wengi sana kuliko adui zao,
25 Nampiova ny fon’ ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
ndiye aliigeuza mioyo yao iwachukie watu wake, wakatenda hila dhidi ya watumishi wake.
26 Naniraka an’ i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
Akamtuma Mose mtumishi wake, pamoja na Aroni, aliyemchagua.
27 Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama.
Walifanya ishara zake za ajabu miongoni mwao, miujiza yake katika nchi ya Hamu.
28 Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
Alituma giza na nchi ikajaa giza, kwani si walikuwa wameyaasi maneno yake?
29 Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
Aligeuza maji yao kuwa damu, ikasababisha samaki wao kufa.
30 Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian’ ny mpanjakany aza.
Nchi yao ilijaa vyura tele, ambao waliingia hadi kwenye vyumba vya kulala vya watawala wao.
31 Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin’ ny faritaniny rehetra.
Alisema, yakaja makundi ya mainzi, na viroboto katika nchi yao yote.
32 Nahatonga havandra ho solon’ ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin’ ny taniny.
Alibadilisha mvua yao ikawa mvua ya mawe, yenye umeme wa radi nchini yao yote,
33 Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin’ ny taniny.
akaharibu mizabibu yao na miti ya tini, na akaangamiza miti ya nchi yao.
34 Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
Alisema, nzige wakaja, tunutu wasio na idadi,
35 Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin’ ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
wakala kila jani katika nchi yao, wakala mazao ya ardhi yao.
36 Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny taniny Izy, Dia ny voalohan’ ainy rehetra.
Kisha akawaua wazaliwa wote wa kwanza katika nchi yao, matunda ya kwanza ya ujana wao wote.
37 Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ ny fireneny.
Akawatoa Israeli katika nchi wakiwa na fedha na dhahabu nyingi, wala hakuna hata mmoja kutoka kabila zao aliyejikwaa.
38 Faly Egypta tamin’ ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
Misri ilifurahi walipoondoka, kwa sababu hofu ya Israeli ilikuwa imewaangukia.
39 Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
Alitandaza wingu kama kifuniko, na moto kuwamulikia usiku.
40 Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
Waliomba, naye akawaletea kware, akawashibisha kwa mkate wa mbinguni.
41 Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin’ ny tany maina ho renirano.
Alipasua mwamba, maji yakabubujika, yakatiririka jangwani kama mto.
42 Fa nahatsiaro ny teniny masìna Sy Abrahama mpanompony Izy,
Kwa maana alikumbuka ahadi yake takatifu, aliyompa Abrahamu mtumishi wake.
43 Dia nitondra ny olony nivoaka tamin’ ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin’ ny fihobiana;
Aliwatoa watu wake kwa furaha, wateule wake kwa kelele za shangwe,
44 Ka dia nanome azy ny tanin’ ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan’ ny firenena maro ireny,
akawapa nchi za mataifa, wakawa warithi wa mali wengine walikuwa wameitaabikia:
45 Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
alifanya haya ili wayashike mausia yake na kuzitii sheria zake. Msifuni Bwana.

< Salamo 105 >