< Salamo 104 >

1 Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,
Ee nafsi yangu, umhimidi Bwana. Ee Bwana Mungu wangu, wewe ni mkuu sana, umejivika utukufu na enzi.
2 Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
Amejifunika katika nuru kama vile kwa vazi, amezitandaza mbingu kama hema
3 Ary mametraka ny rairain-drihan’ ny tranony amin’ ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin’ ny elatry ny rivotra,
na kuziweka nguzo za orofa yake juu ya maji. Huyafanya mawingu kuwa gari lake, na hupanda kwenye mbawa za upepo.
4 Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.
Huzifanya pepo kuwa wajumbe wake, miali ya moto watumishi wake.
5 Nanorina ny tany tambonin’ ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
Ameiweka dunia kwenye misingi yake, haiwezi kamwe kuondoshwa.
6 Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
Uliifunika kwa kilindi kama kwa vazi, maji yalisimama juu ya milima.
7 Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon’ ny kotrokoranao dia nirifatra izy
Lakini kwa kukemea kwako maji yalikimbia, kwa sauti ya radi yako yakatoroka,
8 Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin’ izay namboarinao hitoerany.
yakapanda milima, yakateremka mabondeni, hadi mahali pale ulipoyakusudia.
9 Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
Uliyawekea mpaka ambao hayawezi kuuvuka, kamwe hayataifunika dunia tena.
10 Mampandeha loharano eny amin’ ny lohasaha Izy; Eny anelanelan’ ny tendrombohitra no alehan’ ireny,
Huzifanya chemchemi zimwage maji mabondeni, hutiririka kati ya milima.
11 Ka isotroan’ ny bibi-dia rehetra, Sy analan’ ny boriki-dia ny hetahetany;
Huwapa maji wanyama wote wa kondeni, punda-mwitu huzima kiu yao.
12 Eo amboniny no itoeran’ ny voro-manidina; Ary eo amin’ ny ran-tsan-kazo no anenoany.
Ndege wa angani hufanya viota kando ya maji, huimba katikati ya matawi.
13 Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin’ ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
Huinyeshea milima kutoka orofa zake, dunia inatoshelezwa kwa matunda ya kazi yake.
14 Mampaniry ahitra ho an’ ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin’ ny tany.
Huyafanya majani ya mifugo yaote, na mimea kwa watu kulima, wajipatie chakula kutoka ardhini:
15 Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain’ ny olona.
divai ya kuufurahisha moyo wa mwanadamu, mafuta kwa ajili ya kungʼarisha uso wake, na mkate wa kutia mwili nguvu.
16 Voky ny hazon’ i Jehovah, Dia ny sederan’ i Libanona, izay namboleny;
Miti ya Bwana inanyeshewa vizuri, mierezi ya Lebanoni aliyoipanda.
17 Izay anaovan’ ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin’ ny kypreso no anaovany ny tranony.
Humo ndege hufanya viota vyao, korongo ana nyumba yake kwenye msunobari.
18 Ny tendrombohitra avo dia ho an’ ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an’ ny hyraka.
Milima mirefu ni makao ya mbuzi-mwitu, majabali ni kimbilio la pelele.
19 Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.
Mwezi hugawanya majira, na jua hutambua wakati wake wa kutua.
20 Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ ala;
Unaleta giza, kunakuwa usiku, wanyama wote wa mwituni huzurura.
21 Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin’ Andriamanitra.
Simba hunguruma kwa mawindo yao, na kutafuta chakula chao kutoka kwa Mungu.
22 Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.
Jua huchomoza, nao huondoka, hurudi na kulala katika mapango yao.
23 Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin’ ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan’ ny andro.
Kisha mwanadamu huenda kazini mwake, katika kazi yake mpaka jioni.
24 Endrey ny hamaroan’ ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.
Ee Bwana, jinsi matendo yako yalivyo mengi! Kwa hekima ulizifanya zote, dunia imejaa viumbe vyako.
25 Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
Pale kuna bahari, kubwa na yenye nafasi tele, imejaa viumbe visivyo na idadi, vitu vyenye uhai vikubwa na vidogo.
26 Any no alehan’ ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.
Huko meli huenda na kurudi, pia Lewiathani, uliyemuumba acheze ndani yake.
27 Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin’ ny fotoany.
Hawa wote wanakutazamia wewe, uwape chakula chao kwa wakati wake.
28 Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;
Wakati unapowapa, wanakikusanya, unapofumbua mkono wako, wao wanashibishwa mema.
29 Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin’ ny vovoka nanalana azy,
Unapoficha uso wako, wanapata hofu, unapoondoa pumzi yao, wanakufa na kurudi mavumbini.
30 Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin’ ny tany Hianao.
Unapopeleka Roho wako, wanaumbwa, nawe huufanya upya uso wa dunia.
31 Ho mandrakizay anie ny voninahitr’ i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin’ ny asany.
Utukufu wa Bwana na udumu milele, Bwana na azifurahie kazi zake:
32 Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren’ ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
yeye aitazamaye dunia, nayo ikatetemeka, aigusaye milima, nayo ikatoa moshi.
33 Hihira ho an’ i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’ Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
Nitamwimbia Bwana maisha yangu yote; nitaimba sifa kwa Mungu wangu muda wote ninaoishi.
34 Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin’ i Jehovah.
Kutafakari kwangu na kumpendeze yeye, ninapofurahi katika Bwana.
35 Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.
Lakini wenye dhambi na watoweke katika dunia na waovu wasiwepo tena. Ee nafsi yangu, msifu Bwana. Msifuni Bwana.

< Salamo 104 >