< Salamo 103 >

1 Nataon’ i Davida.
Zaburi ya Daudi. Ee nafsi yangu, umhimidi Bwana. Vyote vilivyomo ndani yangu vilihimidi jina lake takatifu.
2 Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
Ee nafsi yangu, umhimidi Bwana, wala usisahau wema wake wote,
3 Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
akusamehe dhambi zako zote, akuponya magonjwa yako yote,
4 Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
aukomboa uhai wako na kaburi, akuvika taji ya upendo na huruma,
5 Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ ny voromahery.
atosheleza mahitaji yako kwa vitu vyema, ili ujana wako uhuishwe kama wa tai.
6 Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin’ izay rehetra ampahorina.
Bwana hutenda haki, naye huwapa hukumu ya haki wote wanaoonewa.
7 Efa nampahafantatra an’ i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak’ Isiraely nampahafantariny ny asany.
Alijulisha Mose njia zake, na wana wa Israeli matendo yake.
8 Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
Bwana ni mwingi wa huruma na mwenye neema; si mwepesi wa hasira, bali amejaa upendo.
9 Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
Yeye hatalaumu siku zote, wala haweki hasira yake milele,
10 Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.
yeye hatutendei kulingana na dhambi zetu wala hatupatilizi kwa kadiri ya maovu yetu.
11 Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra ambonin’ ny tany No haben’ ny famindram-pony amin’ izay matahotra Azy.
Kama vile mbingu zilivyo juu ya dunia sana, ndivyo wema wake ulivyo mwingi kwa wanaomcha;
12 Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
kama mashariki ilivyo mbali na magharibi, ndivyo Mungu alivyoziweka dhambi zetu mbali nasi.
13 Tahaka ny fiantràn’ ny ray ny zanany No fiantran’ i Jehovah izay matahotra Azy;
Kama baba alivyo na huruma kwa watoto wake, ndivyo Bwana anavyowahurumia wale wanaomcha;
14 Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.
kwa kuwa anajua tulivyoumbwa, anakumbuka kwamba sisi tu mavumbi.
15 Tahaka ny ahitra ny andron’ ny zanak’ olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
Kuhusu mwanadamu, siku zake ni kama majani, anachanua kama ua la shambani;
16 Satria tsofin’ ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.
upepo huvuma juu yake nalo hutoweka, mahali pake hapalikumbuki tena.
17 Fa ny famindram-pon’ i Jehovah dia hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’ izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin’ ny taranaka.
Lakini kutoka milele hata milele upendo wa Bwana uko kwa wale wamchao, nayo haki yake kwa watoto wa watoto wao:
18 Dia amin’ izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
kwa wale walishikao agano lake na kukumbuka kuyatii mausia yake.
19 Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
Bwana ameweka imara kiti chake cha enzi mbinguni, ufalme wake unatawala juu ya vyote.
20 Misaora an’ i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ ny teniny.
Mhimidini Bwana, enyi malaika zake, ninyi mlio mashujaa mnaozitii amri zake, ninyi mnaotii neno lake.
21 Misaora an’ i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.
Mhimidini Bwana, ninyi jeshi lake lote la mbinguni, ninyi watumishi wake mnaofanya mapenzi yake.
22 Misaora an’ i Jehovah, ny asany rehetra eran’ ny fanjakany; Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko.
Mhimidini Bwana, kazi zake zote kila mahali katika milki yake. Ee nafsi yangu, umhimidi Bwana.

< Salamo 103 >