< Salamo 102 >
1 Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan’ i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
Addu’ar mutum mai shan wahala. Sa’ad da ya rasa ƙarfi ya kuma yi makoki a gaban Ubangiji. Ka ji addu’ata, ya Ubangiji; bari kukata ta neman taimako ta zo gare ka.
2 Aza manafina ny tavanao amiko amin’ ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin’ ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
Kada ka ɓoye fuskarka daga gare ni sa’ad da nake cikin damuwa. Ka juye kunnenka gare ni; sa’ad da na yi kira, ka amsa mini da sauri.
3 Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
Gama kwanakina sun ɓace kamar hayaƙi; ƙasusuwana suna ƙuna kamar jan wuta.
4 Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
Zuciyata ta kamu da ciwo ta kuma bushe kamar ciyawa; na manta in ci abinci.
5 Noho ny fisentoan’ ny foko Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro.
Saboda nishina mai ƙarfi na rame na bar ƙasusuwa kawai.
6 Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
Ni kamar mujiyar jeji ne, kamar mujiya a kufai.
7 Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
Na kwanta a faɗake; na zama kamar tsuntsun da yake shi kaɗai a kan rufin ɗaki.
8 Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
Dukan yini abokan gābana suna tsokanata; waɗanda suke mini ba’a suna amfani da sunana yă zama abin la’ana.
9 Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
Gama ina cin toka a matsayin abincina ina kuma gauraye abin sha nawa da hawaye
10 Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
saboda fushinka mai girma, gama ka ɗaga ni sama ka yar a gefe.
11 Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
Kwanakina suna kamar inuwar yamma; na bushe kamar ciyawa.
12 Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
Amma kai, ya Ubangiji, kana zaune a kursiyinka har abada; sunan da ka yi zai dawwama a dukan zamanai.
13 Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’ i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
Za ka tashi ka kuma ji tausayin Sihiyona, gama lokaci ne na nuna alheri gare ta; ƙayyadadden lokacin ya zo.
14 Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
Gama duwatsunta suna da daraja ga bayinka; ƙurarta kawai kan sa su ji tausayi.
15 Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao;
Al’ummai za su ji tsoron sunan Ubangiji, dukan sarakunan duniya za su girmama ɗaukakarka.
16 Fa Jehovah nanangana an’ i Ziona; Niseho tamin’ ny voninahiny Izy;
Gama Ubangiji zai sāke gina Sihiyona ya kuma bayyana a ɗaukakarsa.
17 Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
Zai amsa addu’ar marasa ƙarfi; ba zai ƙyale roƙonsu ba.
18 Hosoratana ho an’ ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’ i Jehovah;
Bari a rubuta wannan don tsara mai zuwa, cewa mutanen da ba a riga an halitta ba za su yabi Ubangiji,
19 Fa Izy nitazana tany amin’ ny fitoerany masìna any amin’ ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan’ i Jehovah ny tany,
“Ubangiji ya duba ƙasa daga wurinsa mai tsarki a bisa, daga sama ya hangi duniya,
20 Mba hihaino ny fisentoan’ ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty,
don yă ji nishe-nishen’yan kurkuku yă kuma saki waɗanda aka yanke musu hukuncin mutuwa.”
21 Mba hotorina any Ziona ny anaran’ i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
Saboda haka za a furta sunan Ubangiji a Sihiyona yabonsa kuma a Urushalima
22 Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an’ i Jehovah.
sa’ad da mutane da mulkoki suka tattaru don su yi wa Ubangiji sujada.
23 Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
Cikin rayuwata, ya karye ƙarfina; ya gajartar da kwanakina.
24 Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
Sai na ce, “Kada ka ɗauke ni a tsakiyar kwanakina, ya Allah; shekarunka suna bi cikin dukan zamanai.
25 Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan’ ny tananao ny lanitra.
A farkon fari ka kafa tushen duniya, sammai kuma aikin hannuwanka ne.
26 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
Za su hallaka, amma za ka ci gaba; duk za su tsufe kamar riga. Kamar riga za ka canja su za a kuwa zubar da su.
27 Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
Amma kana nan yadda kake, kuma shekarunka ba za su taɓa ƙarewa ba.
28 Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.
’Ya’yan bayinka za su zauna a gabanka; zuriyarsu za su kahu a gabanka.”