< Salamo 102 >
1 Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan’ i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
The prayer: for a weary and suffering person who pours out their grief to the Lord. Hear my prayer, O Lord; let my cry for help come to you.
2 Aza manafina ny tavanao amiko amin’ ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin’ ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
Hide not your face from me in the day of my distress. Incline your ear to me: when I call, answer me speedily.
3 Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
For my days pass away like smoke: my bones are burned through as with fire.
4 Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
My heart is scorched, withered like grass; I forget to eat my bread.
5 Noho ny fisentoan’ ny foko Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro.
By reason of my loud groaning, my flesh clings to my bones.
6 Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
Like a desert-owl of the wilderness, like an owl among ruins am I.
7 Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
I make my sleepless lament like a bird on the house-top alone.
8 Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
All the day wild foes revile me, using my name for a curse.
9 Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
For ashes have been my bread, and tears have been mixed with my cup.
10 Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
Because of your passionate anger, you did raise me, then hurl me to the ground.
11 Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
My days come to an end, shadows lengthen, I wither like grass.
12 Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
But you, O Lord, are enthroned forever, your fame endures to all generations.
13 Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’ i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
You will arise and have pity on Zion; it’s time to be gracious; her hour has come.
14 Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
For even her stones are dear to your servants, even the dust of her ruins they look on with love.
15 Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao;
Then the nations will revere the name of the Lord and all the kings of the earth his glory,
16 Fa Jehovah nanangana an’ i Ziona; Niseho tamin’ ny voninahiny Izy;
when the Lord shall have built up Zion, and revealed himself in his glory,
17 Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
in response to the prayer of the destitute, whose prayer he will not despise.
18 Hosoratana ho an’ ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’ i Jehovah;
Let this be recorded for ages to come, that the Lord may be praised by a people yet unborn.
19 Fa Izy nitazana tany amin’ ny fitoerany masìna any amin’ ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan’ i Jehovah ny tany,
For he shall look down from his holy height, from the heavens the Lord will gaze on the earth,
20 Mba hihaino ny fisentoan’ ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty,
to hear the groans of the prisoner, to free those who are doomed to die;
21 Mba hotorina any Ziona ny anaran’ i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
that people may recount the Lord’s fame in Zion, and the praise of him in Jerusalem,
22 Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an’ i Jehovah.
when the nations are gathered together, and the kingdoms, to worship the Lord.
23 Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
He has broken my strength on the way, he has shortened my days.
24 Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
I will say, ‘My God, take me not hence in the midst of my days. ‘Your years endure age after age.
25 Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan’ ny tananao ny lanitra.
Of old you have founded the earth, and the heavens are the work of your hands.
26 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
They shall perish; but you do stand. They shall all wax old like a garment, and change as a robe you will change them.
27 Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
But you are the same, your years are endless.
28 Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.
The children of your servants abide, evermore shall their seed be before you.’