< Salamo 10 >
1 Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin’ ny andro fahoriana?
Kwa nini, Yahweh, unasimama mbali? Kwa nini unajificha wakati wa shida?
2 Noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon’ ny fahendrena nataony izy ireny.
Kwa sababu ya majivuno yao, watu waovu waawakimbiza wanyonge; Basi tafadhari uwafanye waovu kunaswa kwa mipango yao wenyewe walioipanga.
3 Ny ratsy fanahy mandoka izay irin’ ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an’ i Jehovah.
Kwa kuwa mtu mwovu hujivuna kwa tamaa yake ya ndani; yeye hufurahisha tamaa na kumtusi Yahweh.
4 Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, “Tsy misy Andriamanitra” no tontalin-keviny.
Mtu mwovu ameinua uso wake; naye hamtafuti Mungu. Yeye hamfikilii Mungu kamwe kwa kuwa hamjali kabisa Mungu.
5 Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin’ ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny?
Yeye yuko salama wakati wote, amri zako za haki ziko juu sana kwake; naye huwadharau adui zake wote.
6 Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.
Yeye husema moyoni mwake, “Siwezi kamwe kushindwa; katika kizazi chote sitakutana na shida.”
7 Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin’ ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.
Mdomoni mwake kumejaa kulaani na udanganyifu, maneno yenye sumu; ulimi wake unajeruhi na kuharibu.
8 Mamitsaka amin’ ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.
Yeye husubilia kwenye shambulio karibu na kijiji; mahali pa siri huwauwa watu wasio na hatia; macho yake huwatazama wasionahatia.
9 Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin’ ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin’ ny haratony no fisambony ny malahelo.
Hujibanza mahari pa siri kama simba katika kichaka; yeye hulala akisubiri kumkamata mnyonge. Humkamata pale anapokwisha mweka mtegoni mwake.
10 Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin’ ny herin’ ny ratsy fanahy.
Wanyonge wake hugandamizwa chini na kupigwa; wao huangukia katika mtego imara.
11 Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.
Yeye husema katika moyo wake, “Mungu amesahau; huficha uso wake; hawezi kujishughulisha kutazama.”
12 Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
Inuka, Yahweh! Inua mkono wako, Mungu! Usiwasahau wanyonge.
13 Nahoana no mamingavinga an’ Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?
Kwa nini mtu mwovu anamkataa Mungu na kusema moyoni mwake, “Hautanipata katika hatia?”
14 Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ ny tananao. Hianao no iononan’ ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
Umeona, maana mara zote unaangalia mtu aletaye madhara na jeuri. Mtu asiye na msaada hukuachia nafsi yake; maana wewe huwaokoa yatima.
15 Torotoroy ny sandrin’ ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.
vunja mkono wa mwovu lo na mtu mwovu. Umuajibishe kwa matendo yake maovu, ambayo kwayo alifikiri hautayagundua.
16 Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin’ ny taniny intsony ny jentilisa.
Yahweh ni mfalme milele daima; mataifa yanaondolewa katika aridhi yake.
17 Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin’ ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,
Yahweh, umesikia uhitaji wa wanyonge; nawe umeitia nguvu mioyo yao, wewe unasikia maombi;
18 Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak’ olombelona etỳ an-tany.
Unawatetea yatima na wanyonge ili kusudi pasiwepo na mtu katika dunia hii atakaye leta hofu tena.