< Ohabolana 1 >

1 Ny Ohabolan’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely:
Mithali za Sulemani mwana wa Daudi, mfalme wa Israeli.
2 Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin’ ny fahalalana;
Mithali hizi zinafundisha hekima na maarifa, kufundisha maneno ya busara,
3 Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
ili mpate maarifa kwa ajili ya kuishi kwa kutenda wema, haki na adili.
4 Hanomezam-pahendrena ho an’ ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ ny zatovo.
Mithali hizi zinatoa hekima kwa wale ambao hawakufunzwa, na kuwapa vijana maarifa na hadhari.
5 Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
Watu wenye busara wasikie na kuongeza elimu yao na watu wenye ufahamu wapate mwongozo,
6 Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin’ ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
kwa kuelewa mithali, misemo, vitendawili na maneno ya wenye busara.
7 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy.
Hofu ya Yehova ni chanzo cha maarifa- wapumbavu hudharau hekima na nidhamu.
8 Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
Mwanangu, sikia fundisho la baba yako na wala usiziache kanuni za mama yako;
9 Fa fehiloha tsara tarehy amin’ ny lohanao izany, Ary rado amin’ ny vozonao.
zitakuwa kilemba cha neema katika kichwa chako na jebu zinazoning'inia kwenye shingo yako.
10 Anaka, raha taomin’ ny mpanota ianao, Aza manaiky.
Mwanangu wenye dhambi wakikushawishi katika dhambi zao, kataa kuwafuata.
11 Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
Kama watasema, “haya tufuatae, tuvizie ili kufanya mauaji, tujifiche ili tuwashambulie watu wasio na hatia, pasipo sababu.
12 Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka; (Sheol h7585)
Haya tuwameza wakiwa hai, kama kuzimu inavyowachukua wenye afya, na kuwa kama wale waangukao kwenye shimoni. (Sheol h7585)
13 Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
Tutapata vitu vyote vya thamani; tutazijaza nyumba zetu vile tunavyoiba kwa wengine.
14 Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
Weka vitu vyako kwetu; tutakuwa na mfuko moja kwa pamoja.”
15 Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin’ ny alehany;
Mwanangu, usitembee katika njia moja pamoja nao; usiruhusu mguu wako kugusa katika mapito yao;
16 Fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
miguu ya hukimbilia mabaya na huharakisha kumwaga damu.
17 Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan’ ny vorona.
Kwa kuwa haina maana kumtegea ndege mtego wakati ndege anaona.
18 Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
Watu hawa huvizia kujiua wenyewe—wanatega mtego kwa ajili yao wenyewe.
19 Toy izany no iafaran’ izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain’ izay fatra-pila azy izany.
Ndivyo zilivyo njia za kila ambaye hupata utajiri kwa udhalimu; mapato ya udhalimu huondoa uhai wa wenye utajiri.
20 Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
Hekima inalia kwa sauti mtaani, inapaza sauti katika viwanja;
21 Mitory ao amin’ izay fivorian’ ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan’ ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
katika mitaa inalia kwa sauti kuu, kwenye maingilio ya milango ya mji inasema “
22 Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana?
Mpaka lini enyi wajinga mtapenda kuwa wajinga? Mpaka lini enyi wenye dhihaka mtapenda dhihaka, na hadi lini enyi wapumbavu, mtachukia maarifa?
23 Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
Zingatia karipio langu; nitatoa mawazo yangu kwa ajili yenu; nitawafahamisha maneno yangu.
24 Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
Nimeita, nanyi mkakataa kusikiliza; nimeunyosha mkono wangu, wala hakuna aliyezingatia.
25 Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
Lakini mumedharau mafundisho yangu yote na wala hamkuzingatia maelekezo yangu.
26 Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
Nitacheka katika taabu yenu, nitawadhihaki wakati wa kupatwa taabu-
27 Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
hofu ya kutisha itawapata kama tufani na maafa yatawakumba kama upepo wa kisulisuli, taabu na uchungu vitawapata.
28 Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
Halafu wataniita, nami sitawajibu; wataniita katika hali ya kukata tamaa lakini hawataniona.
29 Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an’ i Jehovah,
Kwa sababu wamechukia maarifa na hawakuchagua kuwa na hofu ya Yehova,
30 Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
hawakufuata mafundisho yangu na wakayadharau masahihisho yangu yote.
31 Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
Watakula matunda ya njia zao, na watashibishwa kwa matunda ya hila zao wenyewe.
32 Fa ny fihemoran’ ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ ny adala handringana azy.
kwa maana wajinga hufa wanaporudi nyuma, na kutojali kwa wapumbavu kutawaangamiza.
33 Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
Bali kila anisikilizaye ataishi kwa usalama na atapumzika salama pasipo hofu ya maafa.

< Ohabolana 1 >