< Ohabolana 1 >

1 Ny Ohabolan’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely:
ダビデの子、イスラエルの王ソロモンの箴言。
2 Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin’ ny fahalalana;
これは人に知恵と教訓とを知らせ、悟りの言葉をさとらせ、
3 Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
賢い行いと、正義と公正と公平の教訓をうけさせ、
4 Hanomezam-pahendrena ho an’ ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ ny zatovo.
思慮のない者に悟りを与え、若い者に知識と慎みを得させるためである。
5 Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
賢い者はこれを聞いて学に進み、さとい者は指導を得る。
6 Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin’ ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
人はこれによって箴言と、たとえと、賢い者の言葉と、そのなぞとを悟る。
7 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy.
主を恐れることは知識のはじめである、愚かな者は知恵と教訓を軽んじる。
8 Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
わが子よ、あなたは父の教訓を聞き、母の教を捨ててはならない。
9 Fa fehiloha tsara tarehy amin’ ny lohanao izany, Ary rado amin’ ny vozonao.
それらは、あなたの頭の麗しい冠となり、あなたの首の飾りとなるからである。
10 Anaka, raha taomin’ ny mpanota ianao, Aza manaiky.
わが子よ、悪者があなたを誘っても、それに従ってはならない。
11 Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
彼らがあなたに向かって、「一緒に来なさい。われわれは待ち伏せして、人の血を流し、罪のない者を、ゆえなく伏してねらい、
12 Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka; (Sheol h7585)
陰府のように、彼らを生きたままで、のみ尽し、健やかな者を、墓に下る者のようにしよう。 (Sheol h7585)
13 Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
われわれは、さまざまの尊い貨財を得、奪い取った物で、われわれの家を満たそう。
14 Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
あなたもわれわれの仲間に加わりなさい、われわれは共に一つの金袋を持とう」と言っても、
15 Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin’ ny alehany;
わが子よ、彼らの仲間になってはならない、あなたの足をとどめて、彼らの道に行ってはならない。
16 Fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
彼らの足は悪に走り、血を流すことに速いからだ。
17 Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan’ ny vorona.
すべて鳥の目の前で網を張るのは、むだである。
18 Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
彼らは自分の血を待ち伏せし、自分の命を伏してねらうのだ。
19 Toy izany no iafaran’ izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain’ izay fatra-pila azy izany.
すべて利をむさぼる者の道はこのようなものである。これはその持ち主の命を取り去るのだ。
20 Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
知恵は、ちまたに呼ばわり、市場にその声をあげ、
21 Mitory ao amin’ izay fivorian’ ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan’ ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
城壁の頂で叫び、町の門の入口で語る。
22 Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana?
「思慮のない者たちよ、あなたがたは、いつまで思慮のないことを好むのか。あざける者は、いつまで、あざけり楽しみ、愚かな者は、いつまで、知識を憎むのか。
23 Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
わたしの戒めに心をとめよ、見よ、わたしは自分の思いを、あなたがたに告げ、わたしの言葉を、あなたがたに知らせる。
24 Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
わたしは呼んだが、あなたがたは聞くことを拒み、手を伸べたが、顧みる者はなく、
25 Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
かえって、あなたがたはわたしのすべての勧めを捨て、わたしの戒めを受けなかったので、
26 Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
わたしもまた、あなたがたが災にあう時に、笑い、あなたがたが恐慌にあう時、あざけるであろう。
27 Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
これは恐慌が、あらしのようにあなたがたに臨み、災が、つむじ風のように臨み、悩みと悲しみとが、あなたがたに臨む時である。
28 Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
その時、彼らはわたしを呼ぶであろう、しかし、わたしは答えない。ひたすら、わたしを求めるであろう、しかし、わたしに会えない。
29 Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an’ i Jehovah,
彼らは知識を憎み、主を恐れることを選ばず、
30 Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
わたしの勧めに従わず、すべての戒めを軽んじたゆえ、
31 Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
自分の行いの実を食らい、自分の計りごとに飽きる。
32 Fa ny fihemoran’ ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ ny adala handringana azy.
思慮のない者の不従順はおのれを殺し、愚かな者の安楽はおのれを滅ぼす。
33 Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
しかし、わたしに聞き従う者は安らかに住まい、災に会う恐れもなく、安全である」。

< Ohabolana 1 >