< Ohabolana 8 >

1 Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
Hikima ba ta yin kira ne? Fahimi ba ya tā da muryarsa ne?
2 Eo an-tampon’ ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
A ƙwanƙoli a kan hanya, inda hanyoyi suka haɗu, ta ɗauki matsayinta;
3 Eo anilan’ ny vavahady, amin’ ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
kusa da ƙofofin shiga cikin birni, a mashigai, ta tā da murya,
4 Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin’ ny zanak’ olombelona.
“Gare ku, ya mutane, nake kira; na tā da muryata ga dukan’yan adam.
5 Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
Ku da kuke marasa azanci, ku yi hankali; ku da kuke wawaye, ku nemi fahimi.
6 Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan’ ny molotro.
Ku saurara, gama ina da abubuwa masu darajan da zan faɗa; na buɗe leɓunana don in faɗa abin da yake daidai.
7 Fa ny marina ihany no holazain’ ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin’ ny molotro.
Bakina yana magana abin da yake gaskiya, gama leɓunana sun ƙi mugunta.
8 Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
Dukan kalmomin bakina suna da adalci; babu waninsu da ya karkace ko kuwa ƙarya ne.
9 Miharihary avokoa izy, raha amin’ ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin’ ny efa nahazo fahalalana.
Ga mai tunani dukansu daidai ne; ba su da laifi ga waɗanda suke da sani.
10 Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
Ku zaɓi umarnina a maimakon azurfa, sani a maimakon zinariya zalla,
11 Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.
gama hikima ta fi lu’ulu’ai daraja, kuma ba abin da kake sha’awa da za a kwatanta da ita.
12 Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan’ ny fahalalako ny fisainana mazava.
“Ni, hikima, ina zama tare da hankali; ina da sani da iya rarrabewa.
13 Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’ i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
Jin tsoron Ubangiji shi ne ƙin mugunta; ina ƙin girman kai da fariya, halin mugunta da kuma muguwar magana.
14 Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;
Shawara da yin tunani mai kyau nawa ne; ina da fahimi da kuma iko.
15 Izaho no anjakan’ ny mpanjaka Sy andidian’ ny mpanapaka araka ny rariny;
Ta wurina sarakuna suke mulki masu mulki kuma suke yin dokokin da suke da adalci;
16 Izaho no anapahan’ ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin’ ny tany.
ta wurina sarakuna suke mulki, da kuma dukan manyan mutanen da suke mulkin duniya.
17 Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
Ina ƙaunar waɗanda suke ƙaunata, kuma waɗanda suke nemana sukan same ni.
18 Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
Tare da ni akwai wadata da girmamawa, dukiya da wadata masu dawwama.
19 Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan’ ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
’Ya’yan itacena sun fi zinariya zalla; amfanin gonar da nake bayar ya fi azurfa mafi kyau.
20 Amin’ ny alehan’ ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin’ ny lalan’ ny fitsarana marina,
Ina tafiya a hanyar adalci, a kan hanyoyin gaskiya,
21 Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
ina ba da wadata ga waɗanda suke ƙaunata ina sa wuraren ajiyarsu su cika.
22 Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ ny alehany, Ho voalohany amin’ ny asany hatramin’ ny taloha.
“Ubangiji ya kawo ni a matsayi na farko na ayyukansa, kafin ayyukansa na tuntuni;
23 Izaho notendreny hatramin’ ny fahagola, Eny, hatramin’ ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
an naɗa ni tun fil azal, daga farko, kafin duniya ta kasance.
24 Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
Sa’ad da babu tekuna, aka haife ni, sa’ad da babu maɓulɓulai masu ruwa;
25 Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
kafin a kafa duwatsu a wurarensu, kafin tuddai ma, an haife ni,
26 Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan’ ny vovo-tany ambonin’ izao rehetra izao.
kafin ya yi duniya ko gonaki ko wata ƙurar duniya.
27 Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin’ ny lalina Izy,
Ina nan sa’ad da ya kafa sammai a wurarensu, sa’ad da ya shata sararin sama a kan fuskar zurfafa,
28 Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon’ ny lalina,
sa’ad da ya kafa gizagizai a bisa ya kuma kafa maɓulɓulan zurfafa daram,
29 Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany,
sa’ad da ya ba wa teku iyakarsa domin kada ruwaye su zarce umarninsa, da kuma sa’ad da ya shata tussan duniya.
30 Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan’ andro isan’ andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
A lokacin ni ne mai tsara abubuwa a gefensa. Na cika da murna kowace rana, kullum ina farin ciki a gabansa,
31 Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak’ olombelona.
ina farin ciki da dukan duniyarsa ina murna da’yan adam.
32 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
“Yanzu fa,’ya’yana, ku saurare ni; masu albarka ne waɗanda suke kiyaye hanyoyina.
33 Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
Ku saurari umarnina ku kuma zama masu hikima; kada ku ƙyale ta.
34 Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin’ ny tolam-baravarako.
Mai albarka ne wanda ya saurare ni; yana tsaro kullum a ƙofofina, yana jira a ƙofar shigata.
35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin’ i Jehovah;
Gama duk wanda ya same ni ya sami rai zai kuma sami tagomashi daga Ubangiji.
36 Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin’ ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
Amma duk wanda ya kāsa samuna ya cuci kansa; dukan waɗanda suke ƙina suna ƙaunar mutuwa ke nan.”

< Ohabolana 8 >