< Ohabolana 8 >

1 Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
Doesn’t wisdom cry out? Doesn’t understanding raise her voice?
2 Eo an-tampon’ ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
On the top of high places by the way, where the paths meet, she stands.
3 Eo anilan’ ny vavahady, amin’ ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
Beside the gates, at the entry of the city, at the entry doors, she cries aloud:
4 Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin’ ny zanak’ olombelona.
“I call to you men! I send my voice to the sons of mankind.
5 Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
You simple, understand prudence! You fools, be of an understanding heart!
6 Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan’ ny molotro.
Hear, for I will speak excellent things. The opening of my lips is for right things.
7 Fa ny marina ihany no holazain’ ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin’ ny molotro.
For my mouth speaks truth. Wickedness is an abomination to my lips.
8 Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
All the words of my mouth are in righteousness. There is nothing crooked or perverse in them.
9 Miharihary avokoa izy, raha amin’ ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin’ ny efa nahazo fahalalana.
They are all plain to him who understands, right to those who find knowledge.
10 Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
Receive my instruction rather than silver, knowledge rather than choice gold.
11 Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.
For wisdom is better than rubies. All the things that may be desired can’t be compared to it.
12 Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan’ ny fahalalako ny fisainana mazava.
“I, wisdom, have made prudence my dwelling. Find out knowledge and discretion.
13 Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’ i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
The fear of the LORD is to hate evil. I hate pride, arrogance, the evil way, and the perverse mouth.
14 Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;
Counsel and sound knowledge are mine. I have understanding and power.
15 Izaho no anjakan’ ny mpanjaka Sy andidian’ ny mpanapaka araka ny rariny;
By me kings reign, and princes decree justice.
16 Izaho no anapahan’ ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin’ ny tany.
By me princes rule, nobles, and all the righteous rulers of the earth.
17 Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
I love those who love me. Those who seek me diligently will find me.
18 Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
With me are riches, honour, enduring wealth, and prosperity.
19 Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan’ ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
My fruit is better than gold, yes, than fine gold, my yield than choice silver.
20 Amin’ ny alehan’ ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin’ ny lalan’ ny fitsarana marina,
I walk in the way of righteousness, in the middle of the paths of justice,
21 Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
that I may give wealth to those who love me. I fill their treasuries.
22 Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ ny alehany, Ho voalohany amin’ ny asany hatramin’ ny taloha.
“The LORD possessed me in the beginning of his work, before his deeds of old.
23 Izaho notendreny hatramin’ ny fahagola, Eny, hatramin’ ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
I was set up from everlasting, from the beginning, before the earth existed.
24 Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
When there were no depths, I was born, when there were no springs abounding with water.
25 Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
Before the mountains were settled in place, before the hills, I was born;
26 Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan’ ny vovo-tany ambonin’ izao rehetra izao.
while as yet he had not made the earth, nor the fields, nor the beginning of the dust of the world.
27 Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin’ ny lalina Izy,
When he established the heavens, I was there. When he set a circle on the surface of the deep,
28 Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon’ ny lalina,
when he established the clouds above, when the springs of the deep became strong,
29 Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany,
when he gave to the sea its boundary, that the waters should not violate his commandment, when he marked out the foundations of the earth,
30 Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan’ andro isan’ andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
then I was the craftsman by his side. I was a delight day by day, always rejoicing before him,
31 Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak’ olombelona.
rejoicing in his whole world. My delight was with the sons of men.
32 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
“Now therefore, my sons, listen to me, for blessed are those who keep my ways.
33 Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
Hear instruction, and be wise. Don’t refuse it.
34 Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin’ ny tolam-baravarako.
Blessed is the man who hears me, watching daily at my gates, waiting at my door posts.
35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin’ i Jehovah;
For whoever finds me finds life, and will obtain favour from the LORD.
36 Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin’ ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
But he who sins against me wrongs his own soul. All those who hate me love death.”

< Ohabolana 8 >