< Ohabolana 7 >
1 Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
Mwanangu, yatunze maneno yangu na ndani yako udhihifadhi amri zangu.
2 Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
Uzilinde amri zangu ili uishi na uyatunzetu mafundisho yangu kama mboni ya jicho.
3 Afehezo eo amin’ ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka izy.
Uyafunge katika vidole vyako; uyaandike katika kibao cha moyo wako.
4 Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;
Mwambie hekima, “wewe ni dada yangu,” na ufahamu mwite jamaa yako,
5 Mba hiarovana anao amin’ ny vehivavy jejo, Dia amin’ ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.
ili ujitunze mwenyewe dhidi ya mwanake haramu, dhidi ya mwanamke mgeni mwenye maneno laini.
6 Fa teo amin’ ny varavarankelin’ ny tranoko, Dia teo amin’ ny makarakara, no nitsirihako,
Nilikuwa naangalia kwenye wavu wa dirisha la nyumba yangu.
7 Ka nahita anankiray tamin’ ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
Nikawatazama watu mwenye ukosefu wa uzoefu, na miongoni mwa watu vijana nikamwona kijana asiye na akili.
8 Izay nandeha tamin’ ny lalana akaikin’ ny zoron-tranon’ ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
Kijana huyo alishuka mtaani kwenye kona karibu na yule mwanamke, akaenda kwenye nyumba yake.
9 Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin’ ny alina efa maizina dia maizina.
Ilikuwa katika utusiutusi wa siku muda wa jioni, wakati wa usiku na giza.
10 Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin’ ny janga no mifetsy am-po,
Akakutana na yule mwanake, amevaa kama kahaba, katika moyo wa udanyanyifu.
11 Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
Alikuwa na kelele na upotovu; miguu yake haikutulia kwenye masikani.
12 Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.
Alielekea mitaani, kisha sehemu ya sokoni, na katika kila upande alisubiri kwa kuviza.
13 Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
Basi akamshika na kumbusu, kwa uso wa nguvu akamwambia,
14 Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.
leo nimetoa sadaka yangu ya amani, nimelipa nadhili yangu,
15 Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
hivyo nilikuja kukutana nawe, kuutafuta uso wako kwa hamu, na sasa nimekupata.
16 Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.
Nimeweka matandiko juu ya kitanda changu, kitani za rangi kutoka Misri.
17 Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.
Kitanda changu nimenyunyizia manemane, udi na mdalasini.
18 Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin’ ny fitiavana isika.
Njoo, tunywe tujishibishe kwa upendo wetu hata asubuhi; tupate furaha kuu kwa matendo ya mahaba.
19 Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
Maana mume wangu hayupo nyumbani kwake; amekwenda safari ya mbali.
20 Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon’ ny volana.
Alichukua mkoba wa fedha; atarudi siku ya mwezi mpevu.
21 Tamin’ ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin’ ny fandroboan’ ny molony no nitaomany azy,
katika maneno yake mengi akamshinda; na kwa midomo yake laini anampotosha.
22 Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’ izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana,
Ghafula alimfuata kama maksai anayekwenda kwa mchinjaji, kama ayala aliyekamatwa kwa nguvu,
23 Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin’ ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
mpaka mshale upasue ini lake. Alikuwa kama ndege anayekimbili kwenye mtego. Hakujua kuwa itamgharimu maisha yake.
24 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
Na sasa, wanangu, nisikilizeni; zingatieni maneno ya kinywa changu.
25 Aoka tsy hivily ho any amin’ ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin’ ny alehany.
Moyo wako usiyageukie mapito yake; usipotoshwe katika mapito yake.
26 Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.
Amesababisha watu wengi kuanguka kwa kuwajeruhi; ameua watu wengi.
27 Ny tranony dia lalana mankany amin’ ny fiainan-tsi-hita, Eny, midìna ho any amin’ ny efi-tranon’ ny fahafatesana. (Sheol )
Nyumba yake ipo juu ya barabara ya kwenda kuzimu; huelekea chini kwenye vyumba vya mauti. (Sheol )