< Ohabolana 6 >

1 Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,
My son! If you have been guarantor for your friend, Have struck your hand for a stranger,
2 Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
Have been snared with sayings of your mouth, Have been captured with sayings of your mouth,
3 Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan’ ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ ny namanao.
Do this now, my son, and be delivered, For you have come into the hand of your friend. Go, trample on yourself, and strengthen your friend,
4 Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
Do not give sleep to your eyes, And slumber to your eyelids,
5 Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin’ izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin’ ny tanan’ ny mpamandrika.
Be delivered as a roe from the hand, And as a bird from the hand of a fowler.
6 Mandehana any amin’ ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
Go to the ant, O slothful one, See her ways and be wise;
7 Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
Which has no captain, overseer, and ruler,
8 Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin’ ny fararano.
She prepares her bread in summer, She has gathered her food in harvest.
9 Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ ny torimasonao ianao?
Until when, O slothful one, do you lie? When do you arise from your sleep?
10 Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
A little sleep, a little slumber, A little clasping of the hands to rest,
11 Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
And your poverty has come as a traveler, And your want as an armed man.
12 Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
A man of worthlessness, a man of iniquity, Walking [with] perverseness of mouth,
13 Izay mami-maso sy manao famantarana amin’ ny tongony Ary manao baiko amin’ ny rantsan-tànany;
Winking with his eyes, speaking with his feet, Directing with his fingers,
14 Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
Contrariness [is] in his heart, devising evil at all times, He sends forth contentions.
15 Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
Therefore his calamity comes suddenly, He is broken instantly—and no healing.
16 Izao enina izao no halan’ i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:
These six has YHWH hated, Indeed, seven [are] abominations to His soul:
17 Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,
High eyes, False tongues, And hands shedding innocent blood,
18 Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
A heart devising thoughts of vanity, Feet hastening to run to evil,
19 Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ ny rahalahy.
A false witness [who] breathes out lies, And one sending forth contentions between brothers.
20 Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
Keep, my son, the command of your father, And do not leave the law of your mother.
21 Afatory amin’ ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
Bind them on your heart continually, Tie them on your neck.
22 Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
In your going up and down, it leads you, In your lying down, it watches over you, And you have awoken—it talks [with] you.
23 Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan’ aina ny anatra famaizana,
For the command [is] a lamp, And the Law a light, And a way of life [are] reproofs of instruction,
24 Hiarovana anao amin’ ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin’ ny fandroboan’ ny lelan’ ny vahiny janga.
To preserve you from an evil woman, From the flattery of the tongue of a strange woman.
25 Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin’ ny hodimasony izy.
Do not desire her beauty in your heart, And do not let her take you with her eyelids.
26 Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan’ ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin’ ny vadin’ ny olona no mihaza ny aina soa.
For a harlot consumes to a cake of bread, And an adulteress hunts the precious soul.
27 Mahatondra afo ao an-tratran’ akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
Does a man take fire into his bosom, And are his garments not burned?
28 Misy mahadia vain’ afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
Does a man walk on the hot coals, And are his feet not scorched?
29 Dia toy izany izay mankamin’ ny vadin’ ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
So [is] he who has gone in to the wife of his neighbor, None who touches her is innocent.
30 Tsy avelan’ ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
They do not despise the thief, When he steals to fill his soul when he is hungry,
31 Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.
And being found he repays sevenfold, He gives all the substance of his house.
32 Izay mijangajanga amin’ ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
He who commits adultery [with] a woman lacks heart, He who does it is destroying his soul.
33 Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin’ ny tondro-molotra.
He finds a stroke and shame, And his reproach is not wiped away,
34 Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin’ ny andro hamaliany.
For jealousy [is] the fury of a man, And he does not spare in a day of vengeance.
35 Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.
He does not accept the appearance of any atonement, Indeed, he does not consent, Though you multiply bribes!

< Ohabolana 6 >