< Ohabolana 5 >
1 Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin’ ny fahalalako,
Mwana na ngai, zala na bokebi na bwanya na ngai, mpe pesa litoyi na yo na mayele na ngai,
2 Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman’ ny molotrao ny fahalalana.
mpo ete ozala na bososoli, mpe bibebu na yo ebomba boyebi.
3 Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;
Pamba te bibebu ya mwasi ya ndumba ebimisaka mafuta ya nzoyi, mpe lolemo na ye ezali elengi lokola mafuta;
4 Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
kasi na suka na nyonso, azali bololo lokola masanga ya bololo, songe lokola mopanga ya minu mibale.
5 Ny tongony midìna ho any amin’ ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol )
Makolo na ye ekokita kino na kufa, ekokende kino na mokili ya bakufi. (Sheol )
6 Tsy mahazo mandia ny lalan’ aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.
Amitungisaka te mpo na nzela ya bomoi, alandaka nzela oyo ayebi te esika nini ekosuka.
7 Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin’ ny teny aloaky ny vavako.
Sik’oyo mwana na ngai, yoka ngai, kopesa maloba na ngai mokongo te;
8 Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran’ ny tranony;
longola nzela na yo pembeni na ye mpe kopusana te liboso ya ndako na ye,
9 Fandrao omenao ho an’ ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an’ izay lozabe;
noki te akoya kokaba lokumu na yo epai ya bato mosusu, mpe mibu na yo epai ya moto mabe;
10 Fandrao hivokisan’ ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon’ ny vahiny;
noki te bapaya bakotonda na biloko oyo yo omoneli pasi, mpe mbuma ya mosala na yo ekokende na ndako ya mopaya;
11 Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
noki te okokoma kolelalela na suka tango nzoto na yo ekolemba mpe makasi na yo ekosila,
12 Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
mpe oloba: « Mpo na nini nayinaki mateya, mpe motema na ngai eboyaki koyoka toli?
13 Ka tsy nihaino ny tenin’ ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
Mpo na nini nayokaki te mongongo ya balakisi na ngai mpe napesaki litoyi te epai ya bato oyo bazalaki koteya ngai?
14 Efa saiky azon’ ny ratsy rehetra aho Tao amin’ ny fiangonana sy ny fivoriana.
Etikalaki kaka moke ete nakweya na mabe ya mozindo, kati na Lingomba ya bato ya Nzambe. »
15 Misotroa rano avy amin’ ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin’ ny fantsakanao.
Melaka mayi ya libulu na yo moko, oyo ezali kobima penza na libulu na yo.
16 Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin’ ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?
Boni, bitima na yo esopa penza mayi na libanda to miluka na yo esopa penza mayi na balabala?
17 Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin’ ny hafa.
Tika ete ezala kaka mpo na yo moko, kasi kokabola yango te na bapaya.
18 Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin’ ny vadin’ ny fahatanoranao.
Tika ete etima na yo epambolama, mpe sepela na mwasi ya bolenge na yo,
19 Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ ny fitiavany ianao.
oyo azali lokola mbuli kitoko ya mwasi, lokola mboloko ya mafuta. Tika ete tango nyonso, mabele na ye etondisaka yo na esengo, mpe bolingo na ye elangwisaka yo!
20 Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin’ ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran’ ny vahiny janga?
Mwana na ngai ya mobali, mpo na nini kokufela kolinga mwasi ya ndumba? Mpo na nini kosepela kosakana na mabele ya mwasi mosusu?
21 Fa eo imason’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
Solo, nzela ya moto ezali liboso ya Yawe, mpe ayekolaka malamu makambo nyonso oyo moto asalaka.
22 Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin’ ny fahotany no itanana azy
Moto mabe akokangama kaka na motambo ya mabe na ye moko mpe na singa ya lisumu na ye,
23 Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben’ ny fahadalany.
akokufa likolo ya bozoba, mpe liboma na ye ekobungisa ye nzela.