< Ohabolana 5 >

1 Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin’ ny fahalalako,
My son, attend unto my wisdom; incline thine ear to my understanding;
2 Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman’ ny molotrao ny fahalalana.
That thou mayest preserve discretion, and that thy lips may keep knowledge.
3 Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;
For the lips of a strange woman drop honey, and her mouth is smoother than oil;
4 Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
But her end is bitter as wormwood, sharp as a two-edged sword.
5 Ny tongony midìna ho any amin’ ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
Her feet go down to death; her steps take hold on the nether-world; (Sheol h7585)
6 Tsy mahazo mandia ny lalan’ aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.
Lest she should walk the even path of life, her ways wander, but she knoweth it not.
7 Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin’ ny teny aloaky ny vavako.
Now therefore, O ye children, hearken unto me, and depart not from the words of my mouth.
8 Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran’ ny tranony;
Remove thy way far from her, and come not nigh the door of her house;
9 Fandrao omenao ho an’ ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an’ izay lozabe;
Lest thou give thy vigour unto others, and thy years unto the cruel;
10 Fandrao hivokisan’ ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon’ ny vahiny;
Lest strangers be filled with thy strength, and thy labours be in the house of an alien;
11 Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
And thou moan, when thine end cometh, when thy flesh and thy body are consumed,
12 Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
And say: 'How have I hated instruction, and my heart despised reproof;
13 Ka tsy nihaino ny tenin’ ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
Neither have I hearkened to the voice of my teachers, nor inclined mine ear to them that instructed me!
14 Efa saiky azon’ ny ratsy rehetra aho Tao amin’ ny fiangonana sy ny fivoriana.
I was well nigh in all evil in the midst of the congregation and assembly.'
15 Misotroa rano avy amin’ ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin’ ny fantsakanao.
Drink waters out of thine own cistern, and running waters out of thine own well.
16 Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin’ ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?
Let thy springs be dispersed abroad, and courses of water in the streets.
17 Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin’ ny hafa.
Let them be only thine own, and not strangers' with thee.
18 Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin’ ny vadin’ ny fahatanoranao.
Let thy fountain be blessed; and have joy of the wife of thy youth.
19 Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ ny fitiavany ianao.
A lovely hind and a graceful doe, let her breasts satisfy thee at all times; with her love be thou ravished always.
20 Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin’ ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran’ ny vahiny janga?
Why then wilt thou, my son, be ravished with a strange woman, and embrace the bosom of an alien?
21 Fa eo imason’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
For the ways of man are before the eyes of the LORD, and He maketh even all his paths.
22 Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin’ ny fahotany no itanana azy
His own iniquities shall ensnare the wicked, and he shall be holden with the cords of his sin.
23 Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben’ ny fahadalany.
He shall die for lack of instruction; and in the greatness of his folly he shall reel.

< Ohabolana 5 >