< Ohabolana 4 >
1 Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
Wanangu, sikilizeni, fundisho la baba, na zingatieni ili mjue maana ya ufahamu.
2 Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
Mimi ninawapa mafundisho mazuri; msiyaache mafundisho yangu.
3 Fa zanak’ ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason’ ineny.
Mimi nilikuwa mwana kwa baba yangu, mpole na mtoto pekee kwa mama yangu,
4 Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
baba alinifundisha akiniambia, “Moyo wako uzingatie sana maneno yangu; shika amri zangu nawe uishi.
5 Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
Jipatie hekima na ufahamu; usisahau na kuyakataa maneno ya kinywa changu;
6 Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
usiiache hekima nayo itakulinda; ipenda nayo itakuhifadhi salama.
7 Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
Hekima ni kitu cha muhimu sana, hivyo jipatie hekima na tumia namna zote kuweza kupata ufahamu.
8 Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
Tunza hekima nayo itakutukuza; ikumbatie nayo itakuheshimu.
9 Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
Hekima itaweka kilemba cha heshima juu ya kichwa chako; itakupa taji zuri.
10 Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
Mwanangu, sikiliza, na kuzingatia maneno yangu, nawe utapata miaka mingi ya maisha yako.
11 Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin’ ny lalana mahitsy aho.
Ninakuelekeza katika njia ya hekima, nimekuongoza katika mapito yaliyonyooka.
12 Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
Unapotembea, hakuna atakayesimama katika njia yako na kama ukikimbia hutajikwaa.
13 Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
Shika mwongozo wala usiuache, utakuongoza, maana ni uzima wako.
14 Aza mankany amin’ ny alehan’ ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin’ ny lalan’ ny ratsy.
Usifuate njia ya waovu wala usiende katika njia ya watendao uovu.
15 Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
Jiepushe nayo, usipite katika njia hiyo; geuka na upite njia nyingine.
16 Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
Maana hawawezi kulala mpaka wafanye ubaya na hupotewa na usingizi hadi wasababishe mtu kujikwaa.
17 Fa mihinana ny mofon’ ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain’ ny fahalozàna.
Maana wao hula mkate wa uovu na hunywa divai ya vurugu.
18 Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
Bali njia ya mwenye kutenda haki ni kama mwanga ung'aao, huangaza zaidi na zaidi hadi mchana inapowasili kwa ukamilifu.
19 Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
Njia ya waovu ni kama giza - hawajui ni kitu gani huwa wanajikwaa juu yake.
20 Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
Mwanangu, zingatia maneno yangu; sikiliza kauli zangu.
21 Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
Usiziache zikaondoka machoni pako; uzitunze katika moyo wako.
22 Fa aina ho an’ ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ ny nofony rehetra.
Maana maneno yangu ni uzima kwa wenye kuyapata na afya katika mwili wao.
23 Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian’ ny aina.
Ulinde salama moyo wako na uukinge kwa bidii zote; kwa kuwa katika moyo hububujika chemichemi za uzima.
24 Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
Jiepushe na kauli za udanganyifu na ujiepushe na mazungumzo ya ufisadi.
25 Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
Macho yako yatazame mbele kwa unyoofu na kwa uthabiti tazama mbele sawasawa.
26 Ataovy marina ny alehan’ ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;
Usawazishe pito la mguu wako; na njia zako zote zitakuwa salama.
27 Aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia; Esory amin’ ny ratsy ny tongotrao.
Usigeuke upande wa kulia au kushoto; ondoa mguu wako mbali na uovu.